Socio-eco

GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR : Hifarana rahampitso 31 martsa 2018.


Hetsika voalohany ho an’ny taona 2018 ny « grande braderie de Madagascar » eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Nanomboka ny talata 27 martsa ny hetsika ary hifarana rahampitso sabotsy 31 martsa 2018. “Amin’izao fetin’ny paka izao, tolotra maro azo isafidianana no atolotry ny mpandray anjara an’ny mpitsidika toy ny fitafiana ho an’ny lehilahy, vehivavy ary ny ankizy, ny sakafo, kilalao, kojakoja an-dakozia sy ny maro samihafa”, hoy ny mpikarakara ny hetsika avy ao amin’ny Mada Vision, Hery Randrianasolo.
Nahafantaran’ny besinimaro ny hetsika ara-barotra « grande braderie de Madagascar » ny fihenam-bidy 15 % no miakatra. Mbola mihatra amin’ireo entana varotana eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina hatramin’ny rahampitso io fihenam-bidy io. “Tongava maro fa samy hahazo ny anjarany ny mpitsidika ny « grande braderie de Madagascar » ho fiatrehana ny fetin’ny paka sy ny alatsinainy paka”.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *