politique

GOVERNORAN’NY FARITRA: Ho tendrena sa fidiana ?


« Dingana lehibe mankany amin’ny fitsinjaram-pahefana ny fanovàna ny lehiben’ny faritra ho governora », hoy ny lehiben’ny faritra Analamanga, Ndranto Rakotonanahary. Tao anatin’izay telo taona naha lehiben’ny faritra azy izay dia nilaza izy fa na ny fanjakana aza tsy mahita ny hametrahana ny toeran’ny lehiben’ny faritra satria misy rafitra roa misahana ny faritra. Ny prefet ny iray izay misahana ny fitantanana ny fandriam-pahalemana sy ny fananan-tany. Misahana ny fampandrosoana ny faritra kosa ny lehiben’ny faritra. “Mifanipaka ihany izany satria natao hisahana ny fampandrosoana ny faritra kanefa ny fananan-tany aza tsy eo ambany fitantanany. Hany ka mandringa ny fampandrosoana”, hoy i Ndranto Rakotonanahary.
Ankoatra izany, nambarany fa manome lanja be dia be ny faritra ny teny hoe : governora ary efa vonona sahady ny filoham-pirenena hizara ny fahefany any amin’ny faritra. Mbola nohamafisin’i Ndranto Rakotonanahary ihany koa fa fotoana ilàna fitsinjaram-pahefana izao fotoana izao. Ny eny ifotony no tokony mitondra vahaolana. Tsy maintsy mandalo fanovàna ny lalam-panorenana anefa ny fanovàna ny lehiben’ny faritra ho governora. Ho olom-boafidy sa ho olom-boatendry no atao governora ? “Raha ny hevitro manokana dia olom-boafidy no tokony ho governora. Mitaky olon-kendry anefa izany satria mila mandrindra ny vinany amin’ny vinan’ny filoham-pirenena izay olom-boafidy eo. Tsy tokony hiverina intsony ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fanjakana foibe sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana isam-paritra satria fampandrosoana no tanjona”, hoy ny lehiben’ny faritra Analamanga. Nambarany kosa anefa fa raha tsy mahay manavaka ny adidiny sy ny loko politika ny governora na tsy mitovy ny tadin-dokanga governora sy ny filoham-pirenena dia tsaratsara kokoa raha tendrena ny governoran’ny faritra.

Lynda A.

Horonan-tsary


One comment on “GOVERNORAN’NY FARITRA: Ho tendrena sa fidiana ?

  1. Pingback: GOVERNORAN’NY FARITRA: Ho tendrena sa fidiana ? - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *