Socio-eco

GLOBAL PURCHASE: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny vokatra ao aminy


Miezaka hatrany ry Chef Mbinina sy ny mpiara-miasa aminy amin’ny fanatsarana  ary  indrindra ny  mba hanara-penitra ny toerana hamokarana ny vokatra ao amin’ny Gastronomie Pizza. Noho izany dia nisy ny fanokanana ny ozinina famokarana ny vokatra rehetra amidin’ny La gastronomie Pizza  ny 05 Novambra 2020 teny Ankadimbahoaka antsoina hoe Global Purchase. Trano misy rihana telo izay samy  misy fitaovam-pamokarana avokoa. groupe International Gastronomy Pizza - global purchase 1Anisan’ireo ao anatin’ny groupe International Gastronomy Pizza ( IGP) ny Global Purchase. «  Miara-miasa amin’ny tantsaha maro ny Global Purchase toy ny famokarana ovy, ronono…Hampiakarina avo dia avo ny vokatra izay amidy any amin’ny La Gastronomie pizza », hoy Chef Mbinina. 90% ny vokatra ao amin’ity ozinina ity dia ampiasain’ny La gastronomie pizza. Ny olana madinika hatrizay noho izany dia voavaha avokoa, hoy hatrany izy. Amin’izao fotoana izao dia vonona handray ny mpanjifa maro be ity ivon-toerana iray ity. Tsy latsan-danja amin’ny sakafo any ivelany ny misy ao amin’ny La Gastronomie pizza manomboka izao. Tsy vao tao anatin’ny volana vitsy akory no nanaovana an’izao fa efa asa an-taonany maro no nanaovana izao ozinina izao namarana ny teniny. Marihana fa miodina enina andro ao anatin’ny herinandro ny Global Purchase.

Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny nanamboarana ny trano, ny fitaovam-pamokarana sy fitahirizam-bokatra ary ny fomba fiasa ao amin’ity toerana ity. Ny rihana ambany indrindra dia ahitana ny « chambre froide », hitehirizana ireo akora fototra. Eo ihany koa ny fanamboarana ny ranom-boankazo sy sauce voatabia. Rihana voalohany  no misy ny fanamboarana ireo kebaba sy ny hena rehetra. Rihana faharoa  ahitana ny fanaovana glace, mayonnaises ary fromages. Ny rihana fahatelo farany dia natokana ho an’ny birao sy fivoriana.

Mampiasa olona manodidina ny 50 ity ivon-toeram-pamokarana ity. Voaofana sy manana traikefa manokana izy ireo.

Hampitombo ny karazam-bokatra tsy ho ela ity ozinina ity izay hamatsy ireo toeram-pivarotana lehibe eto Madagasikara sy any any ivelany.

Tonga nitokana ity ozinina ity, ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa-tanana, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro, ny solontenan’ny Ben’ny Tananan’Antananarivo.

Nirina R


2 comments on “GLOBAL PURCHASE: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny vokatra ao aminy

  1. Pingback: GLOBAL PURCHASE: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny vokatra ao aminy - ewa.mg

  2. ANDRIAMIRANTO Roland

    Salama Tompoko,
    Izahay dia orinasa madinika vao niforona tao aorian’ny « confinement » izay mitondra ny anarana hoe « AGRIQUAL ». Anisan’ny vokatra vokarinay ny holatra na »champigon comestible na Pleurote « ka maniry Izahay mba hiditra ho isan’ireo mpamatsy na » fournisseur champignon comestible frais ou séché » vonona Izahay hanaraka ireo fepetra izay apetrakareo ary Koa hiezaka hamaly ireo filana takinareo.

    Dia manantena n’y fiarahamiasa feno avy aminareo.
    Misaotra

    Roland
    0348124741

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *