Socio-eco

GLOBAL EXPO SPECIAL BAC: Manana tolotra mifanaraka amin’ny fahefan’ny tsirairay ireo oniversite any ivelany


Fanohizana fianarana any ivelany. Nanomboka androany 14 novambra 2019 ary hifarana rahampitso 15 novambra 2019 eny Anosy ny “Global expo spécial Bac”. Oniversite any ivelany avy amin’ny firenena maro toa an’i Etats-Unis, Canada, Autriche, Allemagne, Suisse, Maurice no mandray anjara amin’ity hetsika karakarain’ny Fan Education ity. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera, Andrianina Mialy fa natao ho an’ny mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea ny hetsika. Zava-baovao amin’ity andiany ity hoy izy ny fandraisan’anjaran’ny oniversite, ivom-pampiofanana avy any Afrika Atsimo sy Malaisie. Nambarany fa lalam-piofanana marobe no hita eny an-toerana. Ny “medicine” ihany no tsy misy. “Tsy manome vatsim-pianarana ny oniversite miara-miasa aminay kanefa manana tolotra mifanaraka amin’ny fahefan’ny tsirairay sy ny firenena ho aleha. Misy ireo oniversite no tsy mandoa saram-pianarana na misy fihenam-bidy”, hoy hatrany ny fanazavany.

Manampy ny mpianatra te handranto fianarana any ivelany toy ny fikarakarana ny antontan-taratasy, ny fandaminana ny dia, ny toerana hivantanana ny Fan Education. Araka ny fanazavan’i Andrianina Mialy fa efa maro be mpianatra malagasy nampian’ny “agence” tao anatin’ny telo taona. Aorian’ity “global expo spécial Bac” ity dia eny Antsahavola  ny biraon’ny Fan Education raha mila fanazavana fanampiny.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *