Socio-eco

GEM: Mangataka ny handoavana ireo trosa mbola tsy voaloan’ny fanjakana


Asa maika tokony ho tanterahana. Nanambatra ny feony ny mpampiasa sy mpiasa eny anivon’ny  sehatra tsy miankina noho ny krizy ara-toekarena nateraky ny COVID-19. Nanao fanambarana izy ireo ny  19 jona 2020 teny Antaninarenina.  Manome soso-kevitra ny  GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar), FIVAMPAMA (Fivondronan’ny mpandraharaha Malagasy), ireo vondron’orinasa ary ireo solotenan’ny mpiasa  fa misy ireo asa maika tokony tanterahin’ny fanjakana.   Ao anatin’izany fandoavana ny ampahan’ny karaman’ny mpiasa ho an’ireo orinasa nihena ny asa nataony na ireo mpiasa niato tamin’ny asany, ny fanafoanana ny fandoavana ireo adidy ara-tsosialy toy ny CNAPS, OSTIE, FMFP, ny fahazoana fanampiana handoavana ny karaman’ny mpiasa tsy afaka manao télétravail, ny fanomezana tambavy Covid Organics ho fiarovana ireo mpiasa sy produits désinfectants ho an’ireo orinasa ary ny fanaovana fitiliana faobe eny anivon’ny orinasa.

 Raha ny fitohizan’ny fandehanan’ny orinasa indray dia soso-kevitra aroson’ny GEM ny fanomezana famatsiam-bola ho an’ireo orinasa sasantsasany momba ireo vesatra manokana, indrindra ho an’ny sehatry ny fizahantany (ohatra ny hofantrano), ny fandoavana ireo trosa tsy voaloan’ny fanjakana tamin’ireo orinasa, ny fanafoanana ny hetra farafaharatsiny ny taona 2020, ny fiantohana na fanafoanana ny fandoavana ny faktioran’ny Jirama telovolana…

Nirina R.


One comment on “GEM: Mangataka ny handoavana ireo trosa mbola tsy voaloan’ny fanjakana

  1. Pingback: GEM: Mangataka ny handoavana ireo trosa mbola tsy voaloan’ny fanjakana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *