Socio-eco

GEM : Manatsara ny toekarena ny fihainoana feon’ny mpandraharaha.


 Ivon’ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara ny vidim-bary sy ny angovo. Nisy ny fihaonan’ireo mpandraharaha mpikambana ao amin’ny vondron’ny  orinasa eto Madagasikara  (GEM)   ny 19 desambra 2017, teny Antaninarenina.

Anisany nanao famelabelarana tamin’izany ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), Alain Hervé RASOLOFONDRAIBE. Nambarany fa nampitotongana ny vokatry ny tany fa indrindra ny  vary ny fisian’ny    tondra-drano sy ny hain-tany tamin’ity taona 2017. Izany no nahatonga ny vidim-bary niakatra ho 750 Ariary.

Nanatrika ity fihaonana ara-ekonomika ity ny ankamaroan’ireo Lehiben’ny orinasa mivondrona ao amin’ny GEM. Namelabelatra momba ny toe-draharaha ekonomika  eto Madagasikara  sy ny fepetra tokony ho raisina hatramin’ny faran’ny taona 2018 ny tenany.  Nampahafantatra ny fanavaozana sy ny tetikasan’ny BFM ihany koa izy. Ao anatin’izany ny famerenana  indray ny fanadihadiana momba ny toe-draharaha ara-toekarena eto Madagasikara (ECE).

Tao anatin’ny fandaharana nandritra ny fihaonana ara-ekonomika  ny fandraisan’ny Tale Jeneralin’ny kompaniam-pitaterana an’habakabaka « Air Madagascar », Rolland Besoa RAZAFIMAHARO.

Tanjona tamin’izany ny fanomezana sehatra hitenan’ireo mpandraharaha mba hanatsarana ny tontolon’ny toe-karena.

Nifarana tamin’ny fametraham-panontaniana sy fanomezana ny valiny ny fihaonana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *