Socio-eco

GEM : Hitondra fanatsarana ho an’ny sehatra tsy miankina ny filoha vaovao


Fanamafisana ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Lany ho filoha vaovao hitantana ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) mandritra ny roa taona Rajaona Thierry. Nandritra ny fivoriambe notontosaina  ny 28 febroary 2020 teny Alarobia no nanatanterahana ny fifidianana. Mpiara-mitantana ny “cabinet de conseil FTHM Consulting” no ahafantaran’ny besinimaro azy. “Ampanetren-tena no andraisana ny andraikitra amin’ny maha filoha vaovaon’ny  GEM, mandimby an’i Noro Andriamamonjiarison. Filoha faha-efatra tao amin’ny GEM i Noro Andriamamonjiarison  ary  vehivavy voalohany nitantana ny  groupement”, hoy Rajaona Thierry.  Nambarany fa be dia be ny andraikitra miandry. “Anisany lokan’ady ho atrehana ny fanatsarana kokoa ny fifandraisan’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana izay hita mbola mareforefo amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Eo ihany koa ny fanentanana ny mpikambana amin’ny GEM hitantana  ny orinasa, manaja ny “éthique des affaires” izany hoe ny ady amin’ny kolikoly, ny fahamarinana, ny fanajana ny mpiasa, ny resaka sosialy (RSE). Feno 40 taona izao ny vondrona ka ao anatin’ny  asa ho tanterahiny ihany koa ny fanavaozana ny sata mifehy ny GEM  “mba ahafahana manome fahafaham-po ny mpikambana ary handray andraikitra bebe kokoa izy ireo”. Nohamafisiny fa andrasan’ny sehatra tsy miankina ny fisian’ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana amin’ny lafiny rehetra: hetra, herinaratra, sosialy, ladoany… Afaka volana vitsivitsy dia hikarakara fihaonambe ho an’ny sehatra tsy miankina ny GEM ary hanasàna ny fanjakana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *