Socio-eco

GARE ROUTIERE AMBOHIMANGAKELY : 35 % ny foto-drafitra asa sisa no tsy vita


Hotokanana amin’ny volana martsa ny toby fiantsonana vaovao eny Ambohimangakely. Nandeha nitsidika ny fizotran’ny asa teny an-toerana ny tomponandraikitra teo anivon’ny Ministeram-panjakana misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE) , ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro sy ireo koperativa hampiasa ny « gare routière » androany 31 janoary 2018.Ny 65 % ny foto-drafitra asa no efa vita. « Raha tokony amin’ny faran’ny volana febroary no tokony ho vita ny fanamboarana dia nihemotra izany noho ny fandalovan’ny rivo-doza AVA farany teo sy ny fahasarotan’ny famakiana ireo vato », hoy ny Ministry ny M2PATE, Benjamina RAMANANTSOA.

Noho ny fiarahamiasan’ny fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina ( Partenariat Public- Privé) no nahafahana nanatanteraka ity tetikasa fanamboarana toby fiantsonana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity. Ankoatra ny tobin-dasantsy, ahitana toerana fipetrahan’ny mpitatitra sy ny mpanjifa ny toerana. Eo ihany koa ny toerana natokana hisakafoana sy ny maro hafa. Miandraikitra ny fanamboarana ny foto-drafitra asa ny orinasa mpamatsy solika Jovena. Araka ny fifanarahana natao, manana zo hampiasa ny tany mandritra ny 30 taona ny orinasa mba hamerenan’ny vola nampiasana tamin’ny fanamboarana ny foto-drafitra asa. Ny koperativa mampiasa ny lalam-pirenena fahafito ( Antananarivo- Toliary) sy ny lalam-pirenena faharoa (Antananarivo- Toamasina) ary ny zotra rejionaly no hiantsona eny Ambohimangakely. Koperativa 110 eo izao no efa nisoratra anarana hampiasa ny « gare routière ».

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *