Socio-eco

GADRAO IREO MPANAO KOLIKOLY…. !


Naresaka tato hato ny fiakaran’ny feo mikasika ireo mpanao kolikoly ao amin’ny mpitondra ambony. Anisany mitaky fanagadrana ireo mpanao kolikoly ny AFO SYNDICALE. Mangataka sy nanao antso ho an’ny filohan’ny repoblika izy ireo hanagadra ireo namany sy ireo manodidina azy izay manao kolikoly raha tena ray aman-dren’ny vahoaka rehetra izy, hoy Doudou RATOLOJANAHARY, ao amin’ny AFO SYNDICALE sady « administrateur civil ». « Raha tsy manao izany kosa izy, takina ny fialany eo amin’ny toerany ». Izay no nahatonga ireto sendikaly ireto nitory ireo olona ambony eto amin’ny firenena eny amin’ny BIANCO. « Resaka fotsiny ny fampandrosoana izany raha mbola manjaka ny kolikoly ataon’ny mpitondra fanjakana », hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, hanao hetsika etsy amin’ny kianja mitafon’ i Mahamasina izy ireo ny talata 10 May 2016 ho avy izao izay anasany ireo sendikaly, ny « société civil » isankarazany , ny olona rehetra izay mitovy hevitra aminy mikasika izany famongorana ny kolikoly izany. Tsy hijanona amin’ny sendikaly fotsiny noho izany ny fitakina fa ho an’ny hery velona rehetra satria mahatsapa izy ireo fa tsy vitan’ny sendikaly irery intsony ny ady amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena . « Fitakina ny hamaizana ireo mpanao kolikoly no tanjona », hoy izy. « Hiaraka andray fanapahan-kevitra izay tonga ao amin’io fotoana io ».
Anterivava : Doudou RATOLOJANAHARY

Marihana fa nandray fitenenana tao amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena ny AFO SYNDICALE sy nametraka ireo « copie » an’ny fitoriana nataon’izy ireo teny amin’ny BIANCO. Nambaran’i Doudou RATOLOJANAHARY nandritra ny fandraisany fitenenana fa tsy misy azo antenaina ny BIANCO satria fanomanana ny atonta-taratasy fotsiny, maharitra enim-bolana ka hatramin’ny valo volana. « Izay ve vao hisy ny fisamborana ireo mpanao kolikoly ? », hoy izy.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *