Socio-eco

FTHM CONSULTING : Ny tantaran’ny toekarena Malagasy, fototra hiatrehana ny ho avy.


 “Fototra hitsinjovana ny ho avy ny lasa”.  Mamolavola olom-pirenena mandray andraikitry ny vanona sy famakafakana ny tantara ekonomika nisy teto Madagasikara nanomboka ny taona 2016 no mankaty. Voarakitra ao anatin’ny boky mivoaka isam-potoana (revue), laharana faha-78 ny famelaberan-kevitra sy latabatra boribory  notontosaina nandritra ny fampirantiana nokarakarain’ny FTHM Consulting ny 24 ka hatramin’ny 30 oktobra 2017 teny amin’ny Alliance Française Andavamamba.  Nahomby ny hetsika  satria 4500 nitsidika ny hetsika. Olona zato isan’andro  nandray anjara tamin’ny ady hevitra sy ny latabatra boribory  tao anatin’ny  fito andro.

Nolazaina nandritra ny fampahafantarana ity “revue juridique MCI” ity sahady fampirantiana  andiany  manaraka izay atao amin’ny oktobra 2018.  Araka ny fanazavana, ao anatin’ny fiarahamiasa amin’ny  departemanta ekonomia  ao amin’ny fakiolte ny DEGS, oniversite Antananarivo sy ny  “cabinet de conseil  FTHM” izany.  Mitaky famakafakana marolafy amin’ ireo sehatra fototra mampiroborobo ny toe-karena ny fampandrosoana ny firenena Malagasy.

Mirakitra lohahevitra maro samihafa  toy ny politika fampiasana ny  vola amin’ny fampandrosoana  ny  sehatry ny fambolena,   ny maha zava-dehibe ny fivoaran’ny sehatry ny  indostria amin’ny  toe-karena  Malagasy,  ny politikan’ny ekonomia teto Madagasikara…  ny “revue” laharana faha-78.

Hanampy ny Malagasy ahafantatra ny lasany  sy ny andraikitra tokony ho raisiny ratsa-mangaika mpanapan-kevitra  rehetra  izy ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *