De-Lire

FRANCOPHONIE 2016 : Tombotsoan’ny vahoaka sa ho an’ny mpitondra ?


Fanontaniana mipetraka amin’ny be sy ny maro ity « francophonie 2016», inona marina no antony anaovana azy eto Madagasikara. Misy tombony ho an’ny vahoaka ve sa ho an’ny mpitondra ? Fantatra ankehitriny fa ny fanjakana Malagasy no hiantoka ny fampiantranoana ireo vahiny 500 amin’ny 3000 ho avy hanatrika izany fihaonam-be izany. Hipetraka amin’ny Hotely betsaka kintana izy ireo, manginy fotsiny ny sakafo sy fitaterana sy izay ilainy rehetra. Manana izany vola ho laniana amin’izany ny fanjakana fa tsy manana hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Tonga ity ny fahavaratra, ho dobo rano ny tanana ambany, vitan’ny fanjakana ve ny mampiantrano ireo tra-bona eny amin’ny trano fandraisam-bahiny kintana dimy eny Ivato ? Mampieritreritra sy mampalahelo ny zava-misy, ny tsy fijerevana ny vahoaka fa ny fanatanterahana ny sitrapon’ny vahiny no maha-maika.

Ankoatra izay, iaraha-mahalala ny tsy fandriam-pahalemana ka andraisan’ny fanjakana fepetra manokana ny fiarovana ireo vahiny ireo kanefa ny vahoaka tsy voaaro izy sy ny fananany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *