Socio-eco

FOTO-DRAFITRASAN’NY CUA: Ho ravàna fa tsy manara-dalàna


Tafiditra ao anatin’ny drafitrasan’ny fitondram-panjakana ny fandrodanana ny tsena vaovao eo Esplanade Analakely sy ny tsena eo ampitan’ny tsenan’ny Pochard. “Tanim-panjakana na “domaine public” avokoa io toerana nanaovan’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA) io.

Araka ny lalàna momba ny tanim-panjakana laharana 2008- 013, andininy fahatelo, tsy azo amidy na avadika ho fananan’olon-tsotra ny toerana natokana ho an’ny daholobe toy ny lalana, ny lalan-kely, zaridaina na dia misoratra amin’ny fanjakana foibe na vondrom-bahoaka aza izany”, hoy ny Tale ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana, Marie Gérard ANDRIAMANOHISOA.
Efa niroso tamin’ny fandrodanana ny tsena teo alohan’ny zaridaina Anosy ny Ministera misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE). “Ny farihin’Anosy no misoratra amin’ny CUA fa ny zaridaina kosa an’ny “Tranoben’ny varotra”, hoy ny Tale jeneralin’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany, Hasimpirenena RASOLOMAMPIONONA. Nanamafy ny Talen’ny fanajariana ny tany fa manana zo hanala ireo trano fivarotana izahay mba hamerenana ny hasin’ny zaridainan’Anosy.
Mampilaza mialoha ny CUA ny M2PATE fa tsy maintsy harodana ny foto-drafitra asa mandika ny lalan’ny tanim-panjakana. Iharan’izany ny tsena eo amin’ny Esplanade Analakely satria miorina eo amin’ny tanim-panjakana sady tsy manana fahazoan-dalana manorina (permis de construire) ny CUA. Nohamafisin’ny Tale Marie Gérard ANDRIAMANOHISOA fa tsy nampilaza ny fanjakana foibe ny kaominina momba io tetikasa io. Raha misy fanorenana foto-drafitra asa toy ny fanamboarana tsena ho an’ny daholobe, ny Ministera ihany no tomponandraikitra afaka manome “permis de construire”.
Nirina R.

[/vc_column_text][/vc_column][/vc_row]


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *