Socio-eco

FORUM DIASPORA MALAGASY : Fampizarana ny traikefa hampandrosoana ny firenena.


Nampifandray ireo Malagasy mpitady ravinahitra manerana an’izao tontolo izao ny  hetsika natao  teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Nifanakalo hevitra momba ny firaisankinam-pirenena, ny fampandrosoana, ny  “business”… ny solontenan’ireo diaspora Malagasy avy amin’ny vazan-tany efatra sy ny ratsa-mangaika isan-tsokajiny  avy eto an-toerana  toy ny ministera,  ny ambasadaoro, mpandraharaha, fikambanana, ONG…Nandritra ny telo andro,  nifampizara ny traikefa hijerena ny   ho avin’ny zanaka Malagasy mipetraka eto an-toerana sy any ivelany ny roa tonta.

 Tanjona tamin’ity Forum andiany voalohany nokarakarain’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny ity ny famolavolana politika  nasionaly ho an’ny diaspora Malagasy.

 Ankoatra ny hetsika fanomezan-dra, fambolen-kazo, fametrahana toerana hamoronana orinasa ao amin’ny Village Voara sy fanavaozana ny pasipaoro, nahasarika mpitsidika maro ny  fampirantiana tamin’ny alalan’ny  trano heva isan-karazany.

Teo ambany fiahian’ny Filoham-pirenena Malagasy, Hery RAJAONARIMAMPIANINA ny “Forum de la Diaspora Malagasy” izay notontosaina ny 26 ka  hatramin’ny 28 oktobra 2017.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *