Sport

FOOT ACADEMY: Hanandratra avo ny taranja baolina kitra malagasy


Hitondra avo ny lazan’i Madagasikara. Mitovy fijery ny Groupe Filatex sy i Florent Malouda, mpilalao baolina kitra teo aloha tao amin’ny  ekipam-pirenena frantsay  fa anisany antoky ny  fampandrosoana maharitra ny fanatanjahantena sy ny tanora. Fotoana indrindra izao hisondrotan’ny taninketsa malagasy amin’ny baolina kitra. Zava-dehibe ny dingana ataon’ny Filatex ho fanohizana ny fahombiazana teo amin’ny ekipam-pirenena malagasy nandray anjara tamin’ny fiadiana amboaran’i Afrika (CAN, COSAFA…)

Hananganana Foot Academy  ny Filatex ary i Florent Malouda no hiahy izany ho famporisihana ny tanora malagasy sy hahamatihanina ny baolina kitra eto amintsika. Ao anatin’ny politikan’ny fanjakana amin’ny fampandrosoana maharitra amin’ny alalan’ny  fanatanjahantena sy ny tanora ity tetikasa ary miara-miasa akaiky amin’ny federasiona  malagasy ny baolina kitra. Mba hampaharitra ny tetikasa dia hisy ny fiofanana andoavam-bola ankoatra ny fandaharan’asa izay vatsian’ireo mpiara-miombon’antoka.

Sady mianatra ireo tanora no tonga dia vonona avy hatrany amin’ny lalao baolina kitra handraisam-bola. Io tetikasa io ihany koa dia hananganana fotodrafitrasa goavana toy ny kianja. Hanomboka ny volana jolay 2020 ny asa ary vinavinaina ho vita amin’ny  jolay 2021, hoy ny fanazavan’ny tale misahana fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Filatex, Romy Voos Andrianarisoa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *