Socio-eco

FONDS YAVARHOUSSEN : Nandray anjara tamin’ny famokarana ny horonantsary « Graines d’espoir » ny ankizy sy tanora malagasy


Ankizy sy tanora 332 avy amin’ny firenena efatra (Frantsa, Espagne, Burkina Faso, Madagasikara) no niara-nanatontosa tamin’i Pierre Beccu ny horonantsary mitondra ny lohateny hoe “Graines d’espoir”. Fonds Yavarhoussen - Le film Graines d’espoir 2Tanora 18 taona miisa 20 avy ao amin’ny  ivon-toeram-piofanana momba ny fambolena CRFPA Ilofosana any amin’ny faritra Itasy sy ankizy mianatra  ao amin’ny Village de la Joie  ao Merimandroso, kilasy fahafito no mpandray anjara teto Madagasikara. Noho ny fanampian’ny Fonds Yavarhoussen no nahafahan’izy ireo nandray anjara tamin’ny famokarana ity horonantsary ity. Horonantsary mampandray fitenenana ny ankizy sy ny tanora hiresaka ny lokan’ady mety hitranga amin’ny hoaviny sy hitantara ireo hetsika mitondra fiovana any amin’ny tany misy azy tsirairay ny “Graines d’espoir”. Mampiavaka azy ny fampandraisana anjara ireo ankizy sy tanora tamin’ny fangalana sary. Rehefa avy nampianarina azy ireo ny fototry ny fangalana sary dia nampitazomina azy ireo ny caméra sy ny “micros”. Teo anelanelan’ny taona 2018 sy 2019 no nanatontosana ny horonantsary. « Nanohana hatramin’ny voalohany ny fanatanterahana ny horonantsary Graines d’espoir ny Fonds Yavarhoussen satria manome fitenenana ny tanora, indrindra ny ankizy sy ny tanora malagasy izay andry iankinan’ny fampandrosoana maharitra. Sarobidy loatra ny fanabeazana. Anisany fanoitra amin’ny fampandrosoana ny kolontsaina sy ny zava-kanto ka izany indrindra no nampandraisana anjara ireo ankizy sy tanora mba hiainan’izy ireo ny tontolon’ny sarimihetsika fa tsy hijanona eo amin’ny fandraisana fitenenana ihany», hoy  Randrianarivelo Lalaina, solontenan’ny Fonds Yavarhoussen sady tale misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny vondron’orinasa Filatex. Rafitra iray najoron’ny Filatex ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny zava-kanto eto Madagasikara sy manerana an’izao tontolo izao ny Fonds Yavarhoussen ka izany indrindra no antony nanohanany ny ny tetikasa « Graines d’espoir ».

Mpanoratra ny hoavy

Fonds Yavarhoussen - Le film Graines d’espoir 4Araka ny fananazavan’ny mpanatontosa ny horonantsary Pierre Beccu fa fampivondronana ny ankizy sy tanora manerana an’izao tontolo izao no tanjona tamin’ny Graines d’espoir. « Nisafidy ireo firenena mampiasa ny teny frantsay izahay ary nangataka tamin’ireo ankizy sy tanora mba hitantara sy haneho ny heviny ny tiany hiova amin’ny hoaviny. Tsy nisy casting natao tamin’ireo mpandray anjara, tsy nisy fifantenana hoe iza no mahay satria ny olombelona rehetra dia afaka ho mpanoratra sy mpamorona ny hoaviny”, hoy i Pierre Beccu. Nambarany ihany koa « fa nampitazomina ireo ankizy sy tanora ny caméras sy ny micros mba ahafahan’izy ireo maneho ny tena heviny sy tsy ho mpandray anjara eo anoloan’ny caméra fotsiny fa mpamorona ny hoaviny ihany koa ». Farany, tena tsara hoy izy izany mpamorona horonantsary sy  antontan-tsary izany. “Raha ny mahazatra dia miandry ny lahatsoratra avy amin’ny mpanatontosa ny mpandray anjara vao  afaka miteny. Ny tiako dia hilaza ny heviny ny ankizy sy ny tanora fa tsy hiandry ny lahatsoratra omena azy vao hiteny. Tiako izy ireo no hamorona ny fiainany”, hoy hatrany izy.  Ny 16 jona 2022 teny amin’ny Cinépax no nampahafantarina ny mpanao gazety ny fisian’ity horonantsary ity. Fantatra tamin’izany fa handefa ny “Graines d’espoir” ny Cinépax ny voalohany ny volana jolay ka hatramin’ny 7 jolay 2022. Hisy  ihany koa ny fitetezam-paritra ka ireo Alliances français manerana an’I Madagasikara no handefa izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *