Socio-eco

FONDATION ORANGE: Mpanabe miisa 37 avy amin’ny ivon-toerana mitaiza « autiste » nahazo fiofanana


Manohana ireo sahan’asa rehetra manampy  ireo olona “autistes” ny Fondation Orange. Mpanabe miisa 37 avy amin’ireo ivon-toerana mitaiza « autiste » mpikambana ao amin’ny federasionan’ny autisme  eto Madagasikara (AUFEM) no nahazo fiofanana fanamafisana fahaiza-manao noho ny famatsiam-bola avy amin’ny Fondation Orange sy ny tosika avy amin’ny Orange Solidarité Madagasikara. Natolotra azy ireo tamin’ny fomba ofisialy ny 04 novambra 2022 ny fanamarinam-pahavitam-piofanana. Nanatrika izany ny Filohan’ny Orange Solidarité – Arson Benja, ny Tale misahana ny fahasalamana sy fahasembanana avy ao amin’ny Fondation Orange – Pascale Paturle, ny Filohan’ny vovonan’ny federasionan’ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara (PFPH MAD) – Martial Manana ary ny Filohan’ny federasionan’ny Autisme eto Madagasikara – Julien Razafindratsimba. Avy amin’ny fikambanana avy eto Antananarivo, Fianarantsoa , Antsirabe ary Toamasina ireo mpahazo tombontsoa. Ankoatra azy ireo dia nisitraka ny fiofanana ihany koa ny solontena roa avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ary nomena azy ireo tamin’io fotoana io ny fanamarinam-pahavitam-piofanana.  Afaka mampiofana mpanabe hanatevin-daharana ny ivon-toerana mpikambana ao amin’ny AUFEM  izy ireo ao aoriana kely.  Ny 25 ka hatramin’ny 29 aprily 2022 ny fiofanana tapany voalohany ary ny 31 oktobra ka hatramin’ny 4 novambra ny tapany faharoa.

Nomerika sy ny « autisme »

Resy lahatra ny Orange Madagascar fa antony iray ahafahan’ny rehetra tsy ankavanaka, ao anatin’izany ny olona miaina ny « autisme », misitraka fanabeazana mampiaty ny nomerika. Izany indrindra no anton’ny fiarahamiasa amin’ny Federasionan’ny Autisme eto Madagasikara mba hisian’ny fitoviana amin’ny lafiny nomerika. Manohana ny AUFEM ny Orange amin’ny fanatanterahana ny hetsika fanentanana sy fampahafantarana ny “autisme”. Nisy mihitsy ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Orange Solidarité sy ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ary ny AUFEM ho fampiroboroboana ny fanabeazana mampiaty eto Madagasikara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *