Socio-eco

FONDATION H- FONDATION AXIAN: Mitady mpahay zava-kanto momba “fresques murales”


Zava-kanto sy fanabeazana. Mitady mpahay zava-kanto mandeha irery na vondrona maniry hanamboatra “fresques murales” ho an’ny ankizy 03 ka hatramin’ny 09 taona ny Fondation H sy ny Fondation Axian. Ao anatin’ny tanjon’ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta ny fanolorana zava-kanto tsara kalitao ho an’ireo ankizy mba ho liana sahady  amin’izany izy ireo manomboka  eo amin’ny fidirany an-tsekoly  voalohany, ny fampitomboana ny fampahafantarana ireo mpahay zava-kanto Malagasy  eo anivon’ny sekoly  sy ny fiarahamonina.  Nisokatra tamin’ny 05 oktobra 2020 ny fandraisana ny antonta-taratasin’ny mpifaninana ary hifarana ny 23 oktobra 2020. Mombamomba ilay mpifaninana, dosie mirakitra ireo asa vita taloha, ny tetibidin’ny asa fanamboarana no dosie ilaina amin’izany. Hanamboatra “fresques murales” eny amin’ireo sekolim-panjakana ambaratonga fototra eny Ambodiafontsy, Antetezanafovoany I, Antanimena II, Soaniadanana Sabotsy Namehana, Ambohinaorina Sabotsy Namehana, ary eny amin’ny Centre  Akany Iarivo  Mivoy  Anosizato ireo mpahay zava-kanto voaray.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *