Sport

FONDATION AXIAN: Ho asiana toerana fanaovana fanatanjahantena isaky ny fokontany


Eny Anosibe Angarangarana no hisantarana ny fananganana toerana fanaovana fanatanjahantena  eny anivon’ny fokontany. Amin’ny alalan’ny fiarahamiasa eo amin’ny Fondation Axian sy ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA)  no ahafahana manatanteraka izany.  Tontosa ny 10 novambra 2020 teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta ho firosoana         amin’ny tetikasa “M’hetsika Mvola”. “Tetikasa goavana ary tena hitondra fiovana ho an’ny tanànan’Antananarivo ity tetikasa ity. Nifanaraka ny Fondation Axian sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa hanangana toerana fanaovana fanatanjahantena. Tokony hoe isaky ny fokontany satria ny laharam-pamehan’ny ben’ny tanàna  ao anatin’ny veloran’Iarivo dia omena toerana malalaka ny tanora sy ny mponin’Antananarivo ahafahana manao fanatanjahantena sy mitaiza vatana”, hoy ny tale misahana ny fanatanjahantena ao amin’ny CUA, Rakoto Andriambalo Jalal. Araka ny fanazavany dia ho trandrahana ireo toerana  eny  amin’ny boriborintany sy ny fokontany ary rehefa hita izany dia hananganana toerana lehibe, azo hanaovana fanatanjahantena isan-karazany, na  toerana salantsalany azo hanaovana basketball na mini-foot. Ho an’i Nosibe Angarangarana dia nambarany fa afaka roa volana eo no ho vita io fotodrafitr’asa io.  Nambaran’ny Ben’ny tanàna, Andriatsitohaina Naina fa  raha ny tokony ho izy dia ivon-toerana iray, ao anatin’ny fokontany iray. “Ho jerena ireo toerana hanaovana izany”, hoy izy.

Fampiofanana ny tanora

Ankoatra izany, ao anatin’ny fiarahamiasan’ny Fondation Axian sy ny CUA ihany koa ny sehatry ny fahasalamana. “Ezahina ny hametraka barre à fixe, parrallèle, anneau : ireny  fanaovana musculation ireny eny anivon’ny zaridaina, toerana azo hipetrahana ireny”, hoy hatrany talen’ny fanatanjahantena ao amin’ny CUA.  Mbola ao anatin’ny fiarahamiasa ny roa tonta ihany koa ny fampiofanana eny anivon’ny fokontany, ny boriborintany. “Efa namoaka olona 35 izahay  niarahana niasa tamin’ny académie des sports. Ireo olona ireo indray no handeha hanofana eny amin’ny fokontany. Ny faharoa dia tafaresaka tamin’ny federasionan’ny baolina kitra izahay fa hanofana arbitre. Ireo no lasa mitsara ny lalao eny anivon’ny fokontany, lasa mpanentana ara-pananjahantena eny anivon’ny fokontany”, hoy Rakoto Andriambalo Jalal Benjamin.

Nirina R.


One comment on “FONDATION AXIAN: Ho asiana toerana fanaovana fanatanjahantena isaky ny fokontany

  1. Pingback: FONDATION AXIAN: Ho asiana toerana fanaovana fanatanjahantena isaky ny fokontany - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *