Socio-eco

FONDATION AXIAN –CUA : Manofana mpanentana ara-panatanjahantena sy arbitre ho an’Antananarivo renivohitra


Afaka manao « arbitre » na mpanentana ara-panatanjahantena amin’ireo fifaninanana eto Madagasikara. Ho tohiny ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Fondation Axian sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny volana novambra 2020 momba ny fandaharan’asa M’Hetsika Mvola dia tontosa ny 21 sy 22 desambra 2020 ny fampiofanana ireo tanora 35 voasafidy teny anivon’ny fokontany sy ny boriborintany, ho lasa « arbitre »na mpanentana ara-panatanjahantena. Mbola dingana voalohany no nataon’izy ireo ary niompana tamin’ny lafiny  « théorie ». ny fiofanana nandritra ny roa andro. Noresahana nandritra fiofanana ny toeran’ny fanatanjahantena amin’ny fiainana andavanandro, ny fifandraisan’ny fanatanjahantena, ny fanabeazana sy ny fampandrosoana. Amin’ny volana janoary 2021 kosa ny dingana faharoa. Hiompana amin’ny lafiny fampiharana indray ny fiofanana ary haharitra efatra andro. Lohahevitra ho resahana ny fanaovana hetsika ara-batana eny amin’ny natiora, aquagym, musculation ary torolalana ho an’ny fanentanana ara-panatanjahantena.

Hahazo taratasy fanamarim-pahavitana fiofanana, ankatoavin’ny CUA sy ireo fikambanana ara-panatanjahantena eto an-toerana  izy 35 ireo. Tombony ho azy ireo ny fahafahana manao mpitsara na mpanentana ara-panatanjahantena mandritra ny fifaninanana  ara-panatanjahantena eto Madagasikara. Nohamafisin’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Fondation Axian fa tanjon’ny fandaharanasa M’hetsika Mvola ny fampiroboroboana ny fanaovana fanatanjahantena  ho an’ireo tanora  eny amin’ny faritra sahirana. Ny Mvola no mamatsy vola ny tetikasa.

Nirina R.


One comment on “FONDATION AXIAN –CUA : Manofana mpanentana ara-panatanjahantena sy arbitre ho an’Antananarivo renivohitra

  1. Pingback: FONDATION AXIAN –CUA : Manofana mpanentana ara-panatanjahantena sy arbitre ho an’Antananarivo renivohitra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *