Socio-eco

FOIRE INTERNATIONALE DES GEMMES ET BIJOUX DE MADAGASCAR : Miteraka asa


Mbola malalaka ny tsena eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana sy fanodinana ny vatosoa eto Madagasikara. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 Oktobra 2018 ka hifarana ny 27 Oktobra ny tsena iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny vatosoa na « Foire internationale des gemmes et bijoux de Madagascar » atao eny amin’ny « Mining business center » Mamory Ivato. Miisa 50 ireo mpandray anjara amin’ity hetsika ity. Misandrahaka amin’ny faritra isan-karazany izy ireo, toy ny kaominina Antsirabe, Sakaraha, Ilakaka…  « Miteraka asa maro ny sehatry ny fitrandrahana sy fanodinana ny vatosoa raha manaraka ny sehatra ara-dalana », hoy ny filoha mpanjakana manao ny asan’ny filohan’ny repoblika, Rivo Rakotovao. Mampitobo ny fahaizan’ny tsirairay ny hetsika tahaka izao ary mampisokatra ny tsena any ivelany sy eto an-toerana. Mahazo tombony ihany koa ny fanjakana rehefa manao io asa io ho ara-dalana. Amporisihina noho izany ny rehetra hiditra amin’ny ara-dalana mba hisy tombony amin’ny faritra nivoahan’izy ireny ka mivadika ho foto-drafitrasa.

Tamin’ny andron’ny tetezamita, tsy nisy fantatra ireo harena an-kibon’ny tany mivoaka, hoy ny filoham-panajkana. Ankehitriny kosa anefa dia fantatra ny harena an-kibon’ny tany  mivoaka ara-dalana eto Madagasikara. Fatantra fa 2824 kilao ny volamena nahondran’i Madagasikara taona 2017 ary 2271 kilao hatramin’ny 15 Oktobra 2018. 80% ny volamena nahondrana dia any Dubai, 15% ny lasa any Hong Kong ary 5% monja ny an’ireo firenena hafa toy an’i Inde, Italy, Frantsa, Afrika atsimo ny taona 2017.

Marihana fa ny mikarakara ity hetsika ity dia  ny « Bureau du Cadastre Minier de Madagascar »(BCMM) sy ny « Institut de Demmologie de Madagasicar » ( IGM).

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *