Socio-eco

FOIRE ECONOMIQUE ET COMMERCIALE DES 23 REGIONS : Fifanomezan-tanana eo amin’ny mpandraharaha mandinika sy vaventy


Faritra 17 amin’ny 23 no efa vonona amin’ny fikarakarana ny « Foire économique et commerciale des 23 régions », araka ny tatitra nataon’ny mpikarakara, ny 26 oktobra 2021 tao amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina. « Tsikaritra tao anatin’izay fotoana nanomana ny hetsika izay fa nampiakatra ambom-pon’ireo tomponandraiki-panjakana sy ny sehatra tsy miankina hanarina ny toekarena taorian’ny krizy nateraky ny covid-19 ity foara ity », hoy Ramanantsoa Harilala avy ao amin’ny Mada Vision. Ankoatra ny faritra Atsimo Andrefana sy atsimo Atsinanana dia nahemotra ny 25 novambra ka hatramin’ny 28 novambra 2021 ny foara izay saika atao ny 29 oktobra ka hatramin’ny 31 oktobra 2021. Samy ahitana ny foara avokoa manerana ny faritra amin’io fotoana io. Eny amin’ny Kianjan’i Barea no hanatanterahana ny eto Analamanga.

Nambaran’ny mpikarakara fa ho fanomezana sehatra ny mpandraharaha madinika ny « Foire économique et commerciale des 23 régions ». « Ho fiantsoana ireo mpandraharaha vaventy mba ahafahan’ireo mpandraharaha madinika mandray anjara », hoy Ramanantsoa Harilala. Hanampy ny mpandraharaha amin’ny sehatra rehetra hitady na hanokatra lalam-barotra any amin’ny faritra, hanitatra ny fiarahamiasa fa indrindra ahafantatra ireo tolotra hananan’ny fitondram-panjakana ho enti-manohana ny mpandraharaha ihany koa ity hetsika ity. Hahazo vahana ny fampiasana ny serasera sy teknoljia vaovao mialoha,mandritra ary aorian’ny foara mba hampiroboroboana ny sehatra iasan’ireo mpandray anjara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *