Socio-eco

FOIRE ECONOMIQUE ET COMMERCIALE DES 23 REGIONS : Fampiroboroboana ny varotra anatiny


Mpandraharaha madinika, salantsalany ary vaventy an-jatony no mandray anjara amin’ny « Foire économique et commerciale des 23 régions » eny amin’ny Kianja Barea nanomboka omaly 25 novambra ka hatramin’ny 28 novambra 2021. Ankoatra ny eto Analamanga, faritra 9 ihany koa no mampiantrano ity hetsika ity amin’izao fotoana izao. Fampifandraisana ny mpandraharaha manerana ny faritra hampiroboroboana ny varotra anatiny fa indrindra ho fanarenana ny toekarena taorian’ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid-19 no tanjon’ny foara, araka ny fanazavan’ny mpikarakara, Ramanantsoa Harilala. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Foire économique et commerciale des 23 régions » teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana sy ny  Governoran’ny Faritra Analanjirofo, Randriamanantena Marcellin. Nambaran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana fa « Ny Antenimierandoholona dia natao hiaro ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, misy ny région.  Izao foara izao, taorian’ireny krizy nanjo ny firenena ireny, natao hampiroboroboana ny indostria, ny taozavatra, ny fihariana ara-toekarena manerana ny faritra 23 eto Madagasikara. Tsy maintsy mifanome tanana isika amin’ny fanarenana ny toekarena”. Nisy tamin’ireo mpandraharaha any amin’ny faritra toy ny avy Analajirofo, Atsinanana, Amoron’i Mania… no niakatra eto Analamanga nampahafantatra ireo vokatra vokariny. Ankoatra ny varotra fampirantiana dia hameno ny fandaharam-potoana mandritra ny foara ny famelambelaran-kevitra  hifampizarana  ny fanararaotra afaka atao ampiasam-bola any amin’ny faritra, ny tohana omen’ny fanjakana ny sehatra tsy miankina sy ny maro hafa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *