Socio-eco

FOIRE ECONOMIQUE-COMMERCIALE DES 23 REGIONS : Ambohipihaonan’ny mpandraharaha


Efa vonona tanteraka ny mpikarakara ny « Foire Economique-Commerciale des 23 régions » sy ireo faritra hampiantrano izany. Nampahafantarina ny 10 novambra 2021 tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina ny vaovao tsara ho fantatra momba ity hetsika karakarain’ny Mada Vision ity.  Ny 25  ka hatramin’ny 28 novambra 2021 no hantanterahina azy manerana ny faritra. Tao anatin’izay fikarakarana izay dia hita ny fahavononan’ny mpandraharaha hifanohana hampiroborobo ny varotra anatiny. « Fanomezana sehatra ny mpandraharaha, ampahafantarana ny vokatra avy amin’ny faritra maro, fiarahamientana hampiroboroboana ny varotra anatiny ity hetsika ity. Mpandraharaha ao anatin’ny sehatra maro toa an’i Telma, QMM, Aurlac, Oceantrade, Continental Auto, BHL, ARCOI, EFOI, FCCIM no manohana ny foara » , hoy Ramanantsoa Harilala, tomponandraikitry ny Mada Vision. Nambarany fa kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny faritra 23 ka mampifandray ireo mpandraharaha ny foara, hanampy azy ireo hanitatra ny fiarahamiasa any amin’ny faritra. Hisy ny fampitàna mivantana ny foara mba hampifandray ireo faritra rehetra amin’io fotoana io.  Ny faritra Diana, Sava, Atsinanana, Boeny, Betsiboka, Vakinankaratra, Fitovinany, Vatovavy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana ary Anosy no hampiantrano ny foara any amin’ny faritra. Tsy latsaky ny 60 ny mpandray anjara isaky ny faritra. Eny amin’ny kianja Barea Mahamasina kosa ny eto Analamanga. 250 ny mpandray anjara amin’izany. Adidiny rehetra ny mampiroborobo ny tsena anatiny hoy hatrany Ramanantsoa Harilala.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *