Socio-eco

FOCUS DEVELOPMENT: Araraotina ireo tsy manan-tsata.


Tsy manan-tsata, resaka tsy faheno kanefa misy eto Madagasikara. Mpiavy avokoa no niforonan’ny mponina teto. Mbola nitohy izany taty aoriana ka betsaka amin’izy ireo no niteraka teto an-toerana. Mijaly sy mahantra anefa ireo taranaka ireo satria tsy manan-jo ho olom-pirenena Malagasy vokatry ny lalana”. Iharan’ny fanararaotana mihitsy.
Izany indrindra no nahatonga ny Focus Development nanatontosa tetikasa “Gasy Jiaby” natokana ho an’ny “apatride” na ny tsy fananan-tsata.

Anterivava: Maika Mahazaka Fandresena

Miteraka fahantrana no voka-dratsy voalohany amin’ny tsy fananan-jo ho olom-pirenena. “Tsy afaka miaina tahaka ny olon-drehetra izy ireo satria tsy manana taratasy manamarina fa Malagasy. Rehefa misy taratasim-panjakana ilaina maika, tsy maintsy mandoa vola be”, raha ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety tany Mahajanga sy Toliary.
Vokatry ny fanadihadiana, naroso teny anivon’ny Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona ireo loharanom-baovao azo ary niarahana nitadiavana vahaolana. Nozaraina mari-pankasitrahana ireo mpanao gazety mendrika, namoaka ny vaovao tamin’ny gazety sy ny haino aman-jery. Nizara efatra ny fitsinjarana ny loka. Tao ny sokajy fahitalavitra ka i Miora MANITRA, mpanao gazetin’ny Kolo TV no nandrombaka ny voalohany. Sophie RAVELOMANANTSOA, mpanao gazetin’ny RNM kosa ho an’ny onjam-peo. Nadia RAONIMANALINA, mpanao gazetin’ny les Nouvelles ny sokajy fahatelo ary mbola izy hatrany no voalohany tamin’ny sokajy fahaefatra. Vola mitentina 500. 000 Ariary avy no azon’izy ireo ary 300.000 Ariary no nomena ny laharana faharoa. Ny alakamisy 22 desambra teo no nanaovana ny lanonana nizarana izany.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *