politique

FMI Malagasy : « Sazio ny kandida mahazo vato latsaky 10 % »


Tokony ho fantarina ny loharanom-bolan’ny kandida hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena. « Izay kandida mahazo vato latsaky ny 10 %, tokony ho saziana handoa lamandy 100 tapitrisa Ariary. Raha tsy voaloany izany dia gadraina ». Tokony ho jerena akaiky ny loharanom-bolan’ny kandida tsirairay. Ho hita eo raha mahaloa ny lamandy ireo tsy mahazo vato mihoatra 10 %. Amin’izao fotoana izay ho tratra eo ireo olona karamaina ho kandida fotsiny.
Fatiantoka
Tsy manaiky ny fanatanterahana ny fifidianana mialoha ny fotoana ny fikambanana fahefa-mividy no ilain’ny Malagasy (FMI). Nanondro daty telo ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) momba ny fifidianana filoham-pirenena. Raha hampandroso ny datim-pifidianana filoham-pirenena, ny 29 aogositra 2018 no tolo-kevitra nomen’ny CENI. Nambaran’ny filohan’ny FMI Malagasy, Jean-Jacques Ratsietison fa antomotra loatra raha amin’io daty io fa aleo tazomina ny 24 novambra 2018 ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika Malagasy.
Eo amin’ny fampahafantarana ny vinan’asan’ny kandida mbola tsy be mpahafantatra no olana raha aroso aloha ny fifidianana. « Ny kandida efa be mpahafantatra ihany no hahazo tombony raha toa ka ho tanterahina ny 29 aogositra 2018 ny fifidianana. Tsy ho ampy ny fotoana hampielezana ny vinan’ireo kandida vaovao na ireo vao handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena », hoy i Jean-Jacques Ratsietison. Ankoatra izany, tokony mbola faritana mazava ny lalàm-pifidianana. Araka ny fanehoan-kevitra nataony dia tokony hampidirina ao antin’ny lalàm-pifidianana ihany famerana ny vola ampisain’ny kandida mandritra ny fampielezan-kevitra. Amin’izay fotoana izay, ny vinan’asa no hifaninana fa tsy ny vola.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *