Sport

FMF : Ho avy eto Madagasikara ny filohan’ny FIFA


Ho avy eto Madagasikara ny filohan’ny Baolina kitra manerantany (FIFA), Gianni Infantino ny 24 Novambra 2019 ka hatramin’ny 26 Novambra 2019. Feno ny fotoanan’ity olona voalohany amin’ny baolina kitra ity mandritra ny fandalovany eto amin’ny nosy. Hisy ny fitsidihany ny Prezidàn’ny repoblika, Rajoelina Andry  ny 25 Novambra 2019. Ankoatra izay dia hiaona amin’ny mpitantana ny baolina kitra malagasy ary ho eny amin’ny sekolin’ny baolina kitra Saint Michel. Ho tonga eny amin’ny foibe teknika eny Carion ihany koa izy. Ny talata 26 Novambra 2019 kosa izy dia ho any Mahajanga hanatrika ny fivoriamben’ny  « commission des associations des membres de la FIFA ». Nambaran’ny filohan’ny FMF, Arizaka Raoul fa anisany ho resahana amin’io fivoriana io ny olan’ny « commission des associations des membres » sy ny fanjakana, ny fanamboarana ny sata mifehy ity vaomiera ity. Noho izany dia tsy maintsy hisy ny tsoan-kevitra amin’io fivoriana io.

Lalaon’ny Barea

Fahombiazana no azo ilazana ny fikarakarana iny lalao nihaonan’ny Barea sy Etiopia ny Sabotsy 16 Novambra 2019 teo teny Mahamasina. 92 tapitrisa Ariary ny tombom-barotra nandritra tamin’iny lalao iny.
Momba ny lalao ihaonan’ny Barea sy ny ekipa-pirenena Niger kosa dia efa any an-toerana avokoa ny mpilalao 18 rehetra. Raha ny vaovao azo dia salama avokoa ireo mpilalao ireo. Hanomboka amin’ny 7 ora latsaka folo ora eto Madagasikara ny lalaon’izy ireo any Niamey.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *