Sport

FMF: Amidy manomboka rahampitso 15 novambra ny tapakila eny amin’ny “gradin”


Fandaminana. Taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ny tomponandraikitry ny filaminana dia nanao fanambarana ny teo anivon’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) fa amidy manomboka rahampitso 15 novambra 2019 ny tapakila ho an’ny “gradin” ahafahana mijery ny lalao fifanintsanana CAN 202, hifandonan’ny ekipam-pirenena malagasy sy etiopiana. Toerana telo no hivarotana ny tapakila: ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, kianjan’i Coliseum Antsonjombe ary kianjan’i Makis Andohatapenaka. Manentana ny mpitia baolina kitra ny filohan’ny FMF, Arizaka Raoul  nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety androany 14 novambra 2019 mba amin’ireo toerana voatondro ireo ihany no hividy  ny  tapakila mba hisorohana amin’ny hosoka. Nambarany fa efa misy fomba manokana ahafantarana ny tapakila tena izy ka mampitandrina ireo hinia hanao hosoka izany. Araka ny fandaminana dia manomboka amin’ny 10 ora maraina ny fivarotana ka tapakila telo ihany no azo vidian’ny olona iray.

Nohamafisiny fa hisokatra amin’ny 6 ora maraina ny vavahady amin’ny sabotsy 16 novambra 2019. “Iangaviana ho avy alohany ny amin’ny 12 ora atoandro ny mpijery baolina”, hoy izy. Mampatsiahy ihany koa Arizaka raoul fa aoka samy hitandro ny filaminana na ny mpijery fa tsy hiandry ny mpitandro filaminana ihany. Marihina fa mpitandro filaminana 1500 no hiasa amin’io fotoana io. Ho tapaka ny lalana miditra ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina.  Maitso ny fanamiana ho entin’ny Barea.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *