Socio-eco

FLSH: Nahavita ny anjara andraikiny teo amin’ny firenena


Ao anatin’ny  ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonany ny « faculté des Lettres et Sciences Humaines » (FLSH) eny amin’ny  Oniversiten’Antananarivo. Mitsinjara telo ny hetsika tanterahina mandra-pahatongan’ny volana martsa 2020, famaranana ny fankalazana. Amin’ny lafiny akademia sy siansa ny hetsika voalohany izay handraisan’ireo mpampianatra-mpikaroka  manerana ny zanatsehatra 13 anjara. Ho hita amin’izany ny famelabelaran-kevitra hampisehoana  ireo zava-bita sy nilofosana  nandritra ny 60 taona, teo amin’ny famolavolana manam-pahaizana avo lenta sy fampandrosoana ny siansa iarahana amin’ireo sehatra manerantany, amin’izao vanim-potoanan’ny nomerika izao, hoy ny filoham-boninahitry ny komitim-pankalazana, Ralalaoherivony Raholisoa Simone,  nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny  14 aogositra 2019. Fifaninanana ara-panatanjahantena kosa ny hetsika faharoa. Efa mandeha ny  fifanintsanana izay hifanatrehan’ireo mpanao fanatanjahantenan’ny sampam-pianarana amin’izao fotoana izao. Ny lafiny kolontsaina ny hetsika fahatelo entina hanamarihana ny faha-60 taonan’ny FLSH ka amin’ny alalan’ny fampirantiana, fifaninanana isan-karazany, fety aman-danonana karakarain’ny  mpianatra ny endrika hisehoan’izany.  Famoahana andiana mpianatra no hamaranana ny fankalazana. Manoloana izany, miantso ireo malala-tanana hanampy amin’ny ho enti-manana  ny komity mpikarakara.

Nambaran’ny  Filohan’ny komity mpikarakara, Rasoanilana Lanto Charlys fa zava-kendren’ny fankalazana ny  fanamafisana ny  fiaraha-misalahin’ny fianakaviamben’ny sampam-pianarana, ny mpiara-miasa sy ny vato nasondrotry ny tany avy ao amin’ny FLSH sy ireo namana any am-pielezana izay antsoina sy hasaina hanatevin-daharana. Nohamafisin’ny filoham-boninahitry ny komitim-pankalazana fa nahavita ny anjara andraikiny teo amin’ny firenena, tamin’ny famolavolana olomanga ity fakiolte ity.

Lynda A.

 

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *