Socio-eco

FIZAHANTANY SY NY FITATERANA: Antsoina ny mpandraharaha hampiasa vola


Paikady iray ahafahan’i Madagasikara mankany amin’ny fisandratana ny fizahantany. Ny  fanamboarana foto-drafitr’asa  mifanaraka amin’ity sehatra ity no hitan’ny fitondram-panjakana ho laharam-pamehana. Nambaran’ny minisitry ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro, Randriamandranto Joël fa andry iray mampandroso ny toekarena ny fizahantany.  Mba hanatrarana io tanjona io dia mifototra amin’ny paikady dimy ny minisitera: ny fametrahana tolotra  isan-karazany, ny fampiroboroboana ny foto-drafitr’asa, ny fampandrosoana ny fizahantany manerana an’i Madagasikara, ny fampivoarana ny  sehatry ny fitaterana ho fampandrosoana ny fizahantany ary ny “open sky”.

Noho izany, nanapa-kevitra ny eo anivon’ny fiadidian’ny repoblika sy ny ministeran’ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro fa amin’ny alalan’ny “Wave Madagascar” no hanafainganana  ny fanatanterahana ireo vina ireo.  Ny 17 ka hatramin’ny 20 septambra 2019 ny andiany voalohany amin’ity “forum international” natokana ho an’ny fizahantany sy ny fitaterana  ity. Hizara roa ny fandaharam-potoana ka fihaonan’ireo mpandraharaha ara-toekarena misahana  ny fandraisam-bahiny, fitaterana an’habakabaka, fitaterana an-dranomasina sy ny maro hafa  amin’ireo mpamatsy vola, mpampiasa vola ary manana tetikasa ny 17 sy ny 18 septambra. Eny amin’ny CCI Ivato no hanatanterahana  izany. Fitsidihana ireo toerana azo hanatanterahana ny tetikasa kosa 19 sy ny 20 septambra. Raha ny fanazavan’ny tale misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, Rama Ranja fa toe-javatra fanararaotra miisa 50 amin’ny lafiny fandraharahana no miandry ireo mpandray anjara mandritra ny « Wave Madagascar ».

Lynda A.


One comment on “FIZAHANTANY SY NY FITATERANA: Antsoina ny mpandraharaha hampiasa vola

  1. Pingback: FIZAHANTANY SY NY FITATERANA: Antsoina ny mpandraharaha hampiasa vola - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *