Socio-eco

FIVAHINIANAN’I PAPA FRANSOA : Nahomby ny fitandroana ny filaminana


Misaotra ny vahoakan’Antananarivo, ny mpizaika rehetra avy amin’ny eglizy katolika manerana an’i Madagasikara ny mpitandro filaminanan tamin’ny fanarahana ny toromarika rehetra nandritra ny fandalovan’i  Papa Fransoa teto Madagasikara. Araka tomban’asa nampahafantarin’ny teo anivon’ny  EMMONAT ny 11 septambra 2019 fa nirindra sy nahomby ny lafiny fitandroana ny filaminana amin’ny ankapobeny. Tsiahivina fa nitrangana lozam-pifamoivozana ny fiaran’ireo mpizaika avy faritra Avaratr’i Madagasikara rehefa nandalo teo Ambanja raha handeha hamonjy ny lamesa teto Antananarivo. Tsy nisy ny aina nafoy fa olona telo no naratra tamin’izany ary afaka namonjy ny fotoan-dehibe ihany izy ireo.

Raha ny andron’ny 8 septambra teny Soamandrakizay indray dia nirindra sy nilamina ihany koa ny filaminana na dia nampiahiahy aza ny fivoahana taorian’ny fahavitan’ny lamesa. « Somary naharitra ny fivoahan’ireo mpizaika ary tamin’ny 4 ora sy sasany vao tafavoaka ny fiara farany teny an-toerana ». Fantatra ihany koa fa olona iray no maty tamin’io fotoana io vokatry ny fahasemporana izay aretina efa nitaiza io olona saingy tsy voavotra ny ainy na dia efa nentina teny amin’ny hopitaly aza. Olona 16 ihany koa no naiditra hopitaly tamin’ireo 200 nanatona ny toby ho an’ny fitsaboana  napetraka teny Soamandrakizay. Raha ny fanazavan’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa hatrany fa efa tafody soamantsara any an-tokantranon’izy ireo avy ny mpizaika. Manentana ireo mpikarakara hetsika goavana ny mpitandro filaminana mba hanomana izany mialoha ary « vonona hifanome tanana amin’izy ireo izahay ».

Nambaran’i  Yvette Sylla, mpandrindra ny fitsidihan’i Papa Fransoa avy amin’ny fiadidiana ny repoblika fa  niova ny fomba fijerin’ny vahoaka ny mpitandro filaminana taorian’ny fandalovan’i Papa. Ho harenina amin’ny manaraka ny lesoka. Niresaka momba ireo mpivarotra teny Soamandrakizay ihany koa i Yvette Sylla fa tsy anjaran’ny fiadidiana ny repoblika intsony ny fandaminana momba azy ireo fa efa nifanarahana tamin’ny mpiantok’asa. Ny olana dia ny tafion-drivotra, ny vovoka. Tonga ny vahiny tsy nampoizina”, hoy izy. Nilaza anefa izy fa hanao fanadihadiana momba ireo mpivarotra nilaza fa fatiantoka.

Lynda A.


One comment on “FIVAHINIANAN’I PAPA FRANSOA : Nahomby ny fitandroana ny filaminana

  1. Pingback: FIVAHINIANAN’I PAPA FRANSOA : Nahomby ny fitandroana ny filaminana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *