Socio-eco

FITSABOANA MAIMAIM-POANA : Maninona ny sehatra tsy miankina no mahavita?


Porofo mivaingana ny zava-nitranga teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely fa marobe ireo Malagasy tsy mahavita mitsabo tena na dia hizaha ny fahasalamany fotsiny aza. Filaharambe tao anatin’ny roa andro nandritra ny hetsika nokarakarain’ny fiangonana Advantista, departemanta ny fahasalamana. Nifarana omaly 14 mey 2019 io hetsika fizaham-pahasalamana sy ny fizarana fanafody maimaim-poana io. Dokotera avy amin’ny fiangonana no nizaha ireo karazan’aretina maro toy ny areti-koditra, ny nify sy ny ativava, ny aretina momba ny reny sy ny zaza. Tolotra hita nandritra ny hetsika “Antananarivo salama” ihany koa ny fitiliana ny tahan’ny siramamy, ny tahan’ny rano amin’ny vatana, ny VIH/SIDA ary fizahana ireo mila fandidiana amin’ny taolana, ny taova. Ankoatra izany dia nisy ny trano heva natokan’ny mpikarakara nanomezana toro-hevitra momba ny fahasalamana sy ny sakafo ara-pahasalamana. Nambaran’ny mpikarakara, Pasitera Ratsarasaotra Paul fa fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena sy fanatanterahana ny baikon’i Kristy ity hetsika fitsaboana maimaimpoana ity ary manana vina ny hanatanteraka izany any amin’ny faritra. Na dia efa manao izay ho hafany aza ny fanjakana amin’ny fanomezana fitsaboana ny vahoaka dia mbola marobe ireo mitaraina fa tsy zakan’ny fahefa-mividy ny saram-pitsaboana ka aleo miandry hetsika tsy handoavam-bola tahaka izao. Fa maninona ny sehatra tsy miankina no mahafohy fitsaboana maimaimpoana?

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *