Socio-eco

FITSABOANA DIABETA: Nahita vokatra mahomby ny mpianatry ny ISPM


Fototra iray manatsara ny kalitaon’ny fahaizan’ny mpianatra eny ambaratonga ambony ny fikarohana. Fenitra takiana ao anatin’ny fanarahana ny rafi-pampianarana LMD rahateo izany. Tao anatin’ny 20 taona nisian’ny ISPM (Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar) dia nanome vahana ny fikarohana ataon’ny mpianatra ny oniversite. Hampahafantarina mandritra ny “salon de l’ISPM” ireo voka-pikarohana mba hampirantiana amin’ny daholobe, hitadiavana fiarahamiasa amin’ireo orinasa na mpampiasa vola te hitrandraka izany. Nisokatra androany 6 aogositra 2019 ary hifarana rahampitso 7 aogositra 2019 eny amin’ny Carlton Anosy ny andiany manaraka. Voka-pikarohana 180, nataon’ny mpianatra taona voalohany ka hatramin’ny taona fahadimy no haranty eny an-toerana ary mifanaraka amin’ireo lalam-piofanana  misy ao amin’ny ISPM  izany.

Santionany amin’ireo fikarohana ny fanafody  hitsaboana ny diabeta. Vondrona tovovavy, taona fahatelo ao amin’ny lalam-piofanana “biotechnologie, pharmacologie” no nanao ny fikarohana tao anatin’ny fito volana.  Zava-maniry  hita any amin’ny faritra mafana  toa an’i Mahajanga  no nanamboaran’izy ireo fanafody ary nanaovana andrana tamin’ny olona iray diabetika, efa saika notapahana ny tongony.  “Tao anatin’ny iray volana dia nahita vokatra tsara be. Natao ny fitiliana ny tahan’ny siramamy tao amin’ilay marary dia nidina be izany, niverina ara-dalàna. Sitrana ny fery tamin’ny tongony”, hoy i Livaharisoa Marie.  Raha ny fanazavan’izy ireo hatrany dia  mora be ny vidin’ireo fanafody novokarin’izy ireo raha oharina amin’ny hafa. Mbola tokony handalo dingana hafa anefa  ny voka-pikarohan’ireto mpianatra ireto hahatonga azy ho ara-dalàna ka vonona izy ireo hiarahiasa amin’izay te hanohana ny  tetikasan’izy ireo.

Lynda A.


14 comments on “FITSABOANA DIABETA: Nahita vokatra mahomby ny mpianatry ny ISPM

  1. Razafimandimby Jean Claude

    Ny tokony hataon’ireo mpikaroka ireo haingana dia ny miaro an’io fikarohan-dry zareo io mba hialàna sy hiarovana ny “contrefaçon” sy ny fisolokiana na ny fisandohana amin’ny endriny rehetra.

  2. Rafolisisoa Herindravaliantsara

    Miarahaba Tompoko.
    Saika mba manontany raha manamboatra Machine fanamboarana charbon verte ianareo. Ilay ohatry ny an’ny unité de production de charbon vert.
    Merci

  3. vero

    bonjour,rehefa namaky ilay resaka fitahana ny aretina diabeta ny tenako, izay ao anainy fitsaboana amin’izao ftn izao, dia mba tiako na dia mbola miandoha aza ny aretina ny hitsbona azy amin’ny alalany vokatra vokarinareo.Aoana no fomba hataoko ahazoana sy torohevitra avy aminareo sy ilay fanafody .Misaotra Tompoko. Tel 034 40 032 64 ny ahazoana miresaka amiko fa dia liana tokoa ny tenako..

  4. Miarahaba isika mpamaky rehetra. Ny andraikitray dia mampahalala antsika ny vaovao fa raha toa ka mila fanazavana na fiaraha-miasa amin’ireo mpianatra sy ny sekoly isika dia iangaviako hanantona eny amin’izy ireo. Antsobolo no misy ny ISPM, eo ambanin’ny lalana ataon’ny olona hoe bibilava. Raha avy aty Ampasampito ianao dia mivily ankavanana rehefa tonga eo Mahazo. Raha avy any Ambohipo indray dia, rehefa tonga eo antampon’Ambohipo, mivily havia dia manaraka an’iny lalana midina iny hatrany. Miakatra amin’iny fiankaram-be iny indray ka eo antapony eo indray no misy azy.

  5. Marie Aimee

    bonsoir,mba mila fanampiana mazava za fa tena enjana be ny diabetika-ko ,avoty @ toro-hevitra,Marie Aimee aty mahajanga, tena liana @ fanafody e

    • Florette

      Bonsoir, zaho malagasy mipetraka aty Italie fa diabetika hatrany Mada ka lasa mitombo izany amin’ny fihinana sakafo aty inona no azoko atao mano lo ana ny fanafody vokarinareo hitsaboana diabeta?

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *