Socio-eco

FITRANDRAHANA FASI-MAINTY ATAON’NY BASE TOLIARA: “Vonona ho faty ho an’ny tanindrazany ireo fokonolona”


“Rehefa olon-tsotra no manapaka hazo sy mihaza biby dia lazaina fa manimba tontolo iainana fa rehefa orinasa vahiny no manao izany dia fampandrosoana. Aiza avokoa ireo mpiantsehatra  miaro ny tontolo iainana  toy ny WWF, Madagascar National Park (MNP) ? », hoy ireo solontenan’ireo Malagasy tompon-tany  izay ny tanin’izy ireo noho ny fitrandrahana fasi-mainty izay ho kasain’ny orinasa Base Toliara ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy Toliara II. Tao anatin’ny dimy taona no efa niady ny tsy hanatanterahana io fitrandrahana fasi-mainty  io  ny fokonolona satria tafiditra ao anatin’ny faritra hitrandrahana ny tany misy fonenan’izy ireo, ny toeram-pambolena sy fiompian’izy ireo. Voakasiky ny tetikasa ihany koa ny  tora-pasika Andaboy izay kasaina hanaovana seranan-tsambo kanefa  toeram-panjonoana hiveloman’ireo vezo, araka ny fanazavan’i Théo Rakotovao, mpiara-mitolona amin’ireo fokonolona. Ho trongisina ihany koa ireo ala baobab ao Andavandaoka.

“Vonona ny ho faty”

Ho fanairana hatrany ny tomponandraiki-panjakana mahefa no antony niakaran’ireo solontenan’ny fokonolona avy  amin’ireo faritra voakasiky ny fitrandrahana teto Antananarivo sao “hisy faty olona”.  Manantena  ihany koa izy ireo fa handray fepetra ny fitondram-panjakana ankehitriny ao anatin’izany ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny governemanta, ny ministra tompononandraikitra ary ny aro hafa mba tsy hahatanterahin’ny fitrandrahana fasi-mainty. Nohamafisin’ izy ireo fa tsy hanaiky hatramin’ny faran’io fitrandrahana io izy ireo. “Tsy mankasitraka ny fitrandrahana ao amin’ny kaominina Ankilimalinika sy Tsianisiha izahay satria namany ho faty ihany raha esorina eo amin’ny toeram-ponenanay sy toeram-pivelomanay”, hoy ny solontenan’ireo fokonolona avy ao amin’ireo kaominina roa ireo. “Hafana ny raharaha”, hoy hatrany Théo Rakotovao ary vonona ho faty ho an’ny tanindrazanay izahay”, hoy  hatrany ireo solontenan’ny fokonolona.

Nambaran’i Théo Rakotovao fa velaran-tany mirefy 407 kilometatra tora-droa, manomboka eo  Toliara ka hatrany Andavandaoka no ampiasain’ny Base Toliara izay Toliara Sands teo aloha ihany fa ny anarana no niova. Tsara ho fantatra ihany koa fa enim-polo taona ny faharetan’ny fifanarahana amin’ny fitrandrahana saingy tsy mbola manomboka ny asa hatramin’izao noho ny fitsivalanan’ny fokonolona. Fa fampandrosoana ho an’olom-bitsy sy ho an’ny vahiny no tiana atao eto Madagasikara sa fampandrosoana ho an’ny daholobe? Rehefa amin’ny fotoana inona vao miditra an-tsehatra ireo mpiaro ny tontolo iainana sy ny mpiaro ny zon’olombelona eto an-toerana sy avy ivelany?

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *