politique

FITORIANA NY BEN’NY TANANAN’ALASORA : Indroa niala maina ireo mpitory


Nohamafisin’ny teo anivon’ny fitsarana tampony  ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana . Tsy afa-po tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny kandidà mpanolon-tsaina  iray avy ao amin’ny fikambanana TAMI ( TAlasora MIray) sy ny kandidà ben’ny tanana laharana fahatelo ka nampiakatra teny amin’ny fitsarana tampony. Anton’ izao fitoriana izao ny fanafoanana ny didy nahalany ny ben’ny tananan’Alasora, Jimmy Randriantsoa. Nivoaka ny 04 Novambra 2020 ny valin’ny fitsarana teny amin’ny fitsarana tampony izay nanambara fa tsy mari-pototra ny fitoriana nataon’ny kandidà mpanolon-tsaina sy kandidà ben’ny tanana io. « Mitohy ny asa fampandroasoana ny kaominina Alasora ary miroso tsikelikely izany. Tanjona sy vaindoandraharahako ny mba ho Alasora iombonana ka mahate-honina », hoy Jimmy Randriantsoa, ben’ny tananan’Alasora.

Marihana fa ny volana Desambra 2019 no nitory teny amin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana ny ity kandidà mpanolotsaina sy kandidà ben’ny tanana ity. Nivoaka ny didy tamin’ny 08 Janoary 2020 ka lany ho ben’ny tananan’Alasora i Jimmy Randriantsoa izay kandidàn’ny antoko TIM. Ny 20 Janoary 2020 dia nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana tampony indray izy ireo. Noho ny fisian’ny aretina coronavirus teto amintsika dia ny izao vao notanterahana ny fitsarana ka. Ny didy nivoaka dia azo adika sy manamafy amin’ny  maha ben’ny tanana an’i Jimmy Randriantsoa.

Nirina R.


One comment on “FITORIANA NY BEN’NY TANANAN’ALASORA : Indroa niala maina ireo mpitory

  1. Pingback: FITORIANA NY BEN’NY TANANAN’ALASORA : Indroa niala maina ireo mpitory - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *