Socio-eco

FITONDRAM-PANJAKANA:Nahontsan’ny hetsiky ny mpitondra fivavahana


« Aoka tsy ho voafitaky ny mpanolontsaina na ny tarehimarika ianao mitondra ny firenena ka milaza fa manomboka misandratra ny firenena ». Nanamafy ny hetsiky ny mpitondra fivavahana fa mitsororika ny fiainam-bahoaka. « Miditra any amin’ny krizy vaovao isika ankehitriny ary sahinay ny milaza fa tsy hisy toy izany raha tsy tonga saina dieny izao », hoy ny mpandrindra ny hetsiky ny mpitondra fivavahana, Roger Randriamisata. Ny fanesorana ny volin-tsain’ny mpanakorontana ka hironana mankany amin’ny fihavanana sy ny filaminana ny  vahaolana haroson’izy ireo.

  Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ihany koa ny hetsiky ny mpitondra fivavahana omaly 13 febroary 2018 fa endrika ivelany sisa ny fahalalana miteny na mahazo vaovao, indrindra ny fanaovana fivoriana. « Tsy hangatahina na hifampiraharahana  na amin’iza na amin’iza fa zo ny milaza hevitra na dia faran’izay tsy tian’ny mpitondra aza, zo ny hahazo vaovao samihafa ka tokony hatosika ny mpitondra hamela malalaka ny haino aman-jery rehetra hisokatra malalaka ». Nanipy teny sahady ny hetsiky ny mpitondra fivavahana fa sahy hitsangana sy hanohitra ny paipaika ho enti-mamily ny safidim-bahoaka amin’ny fifidianana raha sanatria hisy izany. « Zontsika ny misafidy an-kalalahana  an’izay tiantsika fa tsy ho terena hisafidy an’izay tsy noeritreretintsika”, hoy hatrany ny mpandrindra ny hetsiky ny mpitondra fivavahana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *