Socio-eco

FITOKONAN’NY SECES SAMPANA ANTANANARIVO : « Mety ho foana ny taom-pianarana »


Tsy mbola nahitana vahaolana hatramin’izao ny fitakiana nataon’ny mpampianatra-mpikaroka, sy ny mpikaroka-mpampianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo Ankatso. Araka ny fivoriam-be nataon’izy ireo omaly 12 Novambra 2019 dia nanapaka fa handefa taratasy fangatahana fihaonana amin’ny ministera mpiahy, ny Prezidàn’ny Repoblika, ary ny praiministra lehiben’ny governemanta. « Fialana nenina amin’ny tokony hifampidinihana afahana manantanteraka ny vahaolana nifanarahana tamin’ny Praiminisitra ny 15 Aprily 2019 lasa teo », hoy ny filohan’ny Seces sampana Antananarivo, Profesora Ravelonarivo Grégoire Sammy. Raha toa sanatria ka tsy hisy ny vahaolana dia mety ho foana hatramin’ny taom-pianarana, hoy izy. Hiverina hivory izy ireo rahampitso Alakamisy 14 Novambra 2019 afahana manao tatitra ny vokatry ny fanapahan-kevitry ny oniversite sasany toy ny oniversite ny Toliary sy Antsiranana satria tapitra omaly 12 Novambra avokoa ny fampahafantarana  hitokona 72 oran’ izy ireo. Amin’io fotoana io noho izany no handinihana ny fanatanterahana ny tolona iombonana amin’ireo oniversite ankoatry ny eto Antananarivo ireo raha sanatria tsy hisy ny valiny.  Ao aorian’io fivoriana io dia hisy ny firesahana amin’ireo mpianatra sy ny ray aman-dren’ny mpianatra eo amin’ny esplanade Ankatso.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *