Socio-eco

FITANANA AM-PONJA VONJIMAIKA: Olona 52 maty tsy voatsara akory


Amnesty international 1Tsy voahaja ny zon’olombelona ho an’ireo voatana vonjimaika any am-ponja, araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Amnesty International tamin’ireo fonja sivy teto Madagasikara tamin’ny volana aogositra 2017 ka hatramin’ny septambra 2018. Miandry “tour” rehefa matory amin’ny alina ireo voafonja ao amin’ny fonjan’i Manakara. Miladina an-tany rehefa matory ary sanatria toy ny omby am-pahitra. Ny sakafo hohanina tsy ara-pahasalamana fa dia mangahazo maina mbola tsy voatetika iray tanana ny sakafon’olona iray mandritra ny tontolo andro. Noho habetsahan’ireo voatana vonjimaika, tafakatra 700 ny isan’ny voafonja ao Manakara hatramin’ny volana septambra 2018 raha toa ka natao ho an’olona 121 izany. Tsy ny ao Manakara ihany no ahitana izany fa any amin’ireo fonja hafa nanaovan’ny Amnesty International fanadihadiana.
Madagascar - Excessive Pre-Trial Detention 3Nanao tatitra momba ny fanadihadiana nataony tamin’ny mpanao gazety ny 23 okotobra 2018 ny Amnesty International. “ Voasazy satria mahantra” ny lohatenin’ny boky mirakitra izany. Nambaran’ny talem-paritry ny Amnesty International, Deprose Muchena fa betsaka loatra ny voatana am-ponja vonjimaika ary maharitra. Tamin’ny volana oktobra 2017, 11.000 ny olona notanana vonjimaika. Halatra madinidika toy ny halatra finday, halatra akoho, fisolokiana ny ankamaroan’ny antony nitanana azy ireo. Araka ny fanadihadiana, rangahy iray nohahiahiana ho nangalatra biby fiompy iray notanana am-ponja vonjimaika efa ho telo taona sy tapany. Tamin’ireo voafonja maty 129 dia ny 52 tamin’ireo dia olona mbola tsy voatsara akory. Ny sakafo tsy zarizary, ny tsy fahazoana fitsaboana araka tokony ho izy no tena nahafaty azy ireo. Araka ny lalàna iraisampirenena momba ny zon’olombelona dia tsy azo ampidirina am-ponja ireo olona miandry ny fotoana hitsarana azy raha tsy hoe atahorana hitsaoka ohatra. Ny lalàm-panorenana eto Madagasikara ihany koa dia milaza fa tranga manokana ny fitanana am-ponja vonjimaika. Nambaran’ny mpanolontsainan’ny Amnesty International, Tamara Leger dia mandika ny zon’olombelona ny fitanana vonjimaika mitarazoka, tsy voaporofo ary tsy ara-drariny. Miantso ny fitondram-panjakana ity fikambanana ity handray fepetra haingana fa betsaka ireo tatry ny sazy tsy mifanaraka amin’ny heloka nataony akory.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *