INSTAT Socio-eco

FIRY ISIKA IZAO: Namoaka ny antontan’isa vonjimaika ny INSTAT


Tombanana hitombo avo roa heny ny isan’ny mponina eto Madagasikara afaka 20 taona raha ny antontan’isa vonjimaika momba ny fanisàna ankapobeny fahatelo ny mponina  sy ny toera-ponenana (RGPH3), navoakan’ny INSTAT nandritra ny atrikasa natao ny 6 aogositra 2019 teny amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Zaza 387.000 isan-taona no teraka. Taorian’ny fanisàna natao teo anelanelan’ny volana mey sy jona 2018 no nahafantarana fa  25.680.342 ny isan’ny mponina eto amintsika raha toa ka 12.238.914 izany tamin’ny taona 1993. Monina any ambanivohitra ny 80, 50 % amin’io tarehimarika. Mipetraka an-drenivohitra kosa ny 19, 50 % ambiny.  Manatombo kely ny isan’ny vehivavy  (50,7 %) raha oharina amin’ny lehilahy (49,3 %).

Raha ny tarehimarika voaray hatrany  dia monina amin’ireto faritra ireto: Analamanga, Vakinankaratra,  Atsimo Andrefana, Atsinanana, Sofia ary Vatovavy Fitovinany ny antsasaky ny mponina eto Madagasikara (52 %).  Any amin’ny faritra Melaky, Betsiboka ary Ihorombe kosa no ahitana mponina vitsy indrindra. Mbola vokatra vonjimaika ihany ireo, hoy ny tale jeneralin’ny INSTAT, Romalahy Mande Isaora Zefania.  Nilaza izy fa mila fotoana ny hamoahana vokatra ofisialy noho ny  habetsahan’ny antontan-taratasy mbola ho kirakiraina.

Nambaran’ny ministry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Randriamandranto Richard fa iankinan’ny aim-pirenena ny isan’ny mponina. Amin’alalan’ireo antontan’isa ireo no handrafetana ny fandaharan’asa mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina,  handraisan’ny ministera  isan-tsokajiny ny  fanapahan-kevitra iatrehana ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina.

Lynda A.


One comment on “FIRY ISIKA IZAO: Namoaka ny antontan’isa vonjimaika ny INSTAT

  1. Pingback: FIRY ISIKA IZAO: Namoaka ny antontan’isa vonjimaika ny INSTAT - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *