Socio-eco

FIRONGATRY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA: Ilaina ny « fari-bohitra »


Hetahetan’ny sefom-pokontany ao Ambohibao, kaominina Bongatsara Radimy Andriamparany Jeannot ny fametrahana ny « fari-bohitra ».  Tsinjaraina ho fari-bohitra ny toerana tsirairay ao amin’ny fokontany ka ho asiana tomponandraikitra isaky ny toerana.  « Hanara-maso ireo mpivahiny isaky ny fari-bohitra ny tomponandraikitra tsirairay. Anisan’ny asa ho ataony ny fijerena ireo mpivahiny toy ny mpanao vakansy, ireo mpiasa mamita iraka. Eo ihany koa ny fitakiana ny taratasy manamarina ny anton-dia na taratasy manamarina fa efa nandalo teny amin’ny biraom-pokontany ilay mpivahiny », hoy Radimy Andriamparany Jeannot. Ho fantatra avokoa ny olona mifamezivezy amin’ny fokontany amin’izay fotoana izay.  Raha misy ny tranga-javatra hafahafa dia efa fantatra ny mombamomba ilay olona raha sanatria voarohirohy amin’ny asa ratsy.

Efa manomboka zatra ny mponina ao amin’ny fokontany Ambohibao rehefa manana vahiny hampiantranoana andro maromaro na amam-bolana dia mampilaza haingana eny amin’ny biraom-pokontany, araka ny fitantaran’ny lehiben’ny fokontany.  Torak’izay ireo mpiasa mamita iraka ao amin’ny fokontany. Nilaza i Jeannot Radimy Andriamparany fa efa misy ny kahie natokana handraisana  ny anaran’ireo mpivahiny. Manana « carnet » ihany koa ireo mpivahiny  ka voarakitra ao ny fotoana hijanonany sy ny anton-diany. Hamarinin’ny fokontany amin’ny alalan’ny fitombon-kaseny izany avy eo. Hisy ny fifampiresahana eo amin’ny lehiben’ny fokontany an’Ambohibao sy ny kaominina Bongatsara ny amin’ny fanatanterahana ny « fari-bohitra ».

Lynda A.


One comment on “FIRONGATRY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA: Ilaina ny « fari-bohitra »

  1. Pingback: FIRONGATRY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA: Ilaina ny « fari-bohitra » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *