Socio-eco

FIRENENA TSY TAFITA: Taratry ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona


Feno 70 taona ny fanambarana manerantany ny zon’olombelona. “70 taona izay no niezahana nampanjaka ny zon’olombelona eran-tany. 20 taona kosa i Madagasikara vao tena nihetsika”, hoy ny mpiaro ny zon’olombelona, ramatoa Chandoutis Raoera. Niara-nankalaza ny andro manerantany momba ny zon’olombelona i Madagasikara ny 10 desambra 2018 lasa teo. Tao amin’ny Carlton Anosy no nanaovana ny hetsika fankalazana. Nambaran’i ramatoa Chandoutis fa raha tiana ho tafita ny firenena dia mila manaja ny zon’olombelona izay voalaza ao anatin’ireo andininy 31 ao amin’ny fanambarana eran-tany ny zon’olombelona. “Matoa tsy tafita ny tany iray dia betsaka ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Izay olona matanjaka ihany no misitraka ny zo fa ny mahantra tsy manan-jo”, hoy hatrany ramatoa Chandoutis.

Ny zo hiaina no tena mbola voahitsakitsaka eto Madagasikara. Voasoratra ao anatin’ny andininy faha-roa ao amin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona izy io. Mariky ny tsy fanajana io andininy io ny fisian’olona maro be tsy an’asa, tsy misakafo ara-dalàna. Ankoatra ny fahantrana mianjady amin’ny ankamaroan’ny olona, nampian’ny tomponandraikitry ny zon’olombelona eo anivon’ny firenena mikambana, Tovohery Razakamanana fa endrika hisehoan’ny tsy fanajana ny zon’olombelona eto amintsika ny fitsaram-bahoaka, ny tsy fandriam-pahalemana, ny tsy maty manota. Noho izany, tomponandraikitra voalohany amin’ny fampanajana ny zon’olombelona ny fitondram-panjakana. Manaraka izany ny tsirairay.

Lynda A.


One comment on “FIRENENA TSY TAFITA: Taratry ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona

  1. Pingback: FIRENENA TSY TAFITA: Taratry ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *