Socio-eco

FIRAISAMONIM-PIRENANA: Tsy marina ny filazana fa ady tany ny 75 % ny raharaha eny amin’ny fitsarana


Anisany lohahevitra resahana mandritra ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany, nanomboka ny 08 jona 2022 ary hifarana ny 10 jona 2022 eny amin’ny CCI Ivato ny famahana ny olan’ny fananantany. Zana-kevitra ho dinihina amin’izany ny ady amin’ny kolikoly momba ny fananantany eny amin’ny fitsarana sy ny sampandraharahan’ny fananantany. Nivory ireo firaisamominim-pirenena eto Madagasikara ny 07 jona 2022 ho fanomanana io fikaonandoham-pirenena io. Nijery ireo olana sy vahaolana azo aroso momba ny fananantany izy ireo. Nambaran’ny Filoha Nasionalin’ny « Coalition Anti-Corruption Mahajanga », Solodrazana Henri Tovoniaina fa dradradraina any amin’ny haino aman-jery fa 75 % ny ady  tsaraina ao amin’ny fitsarana dia ady tany.  “Lavinay firaisamonim-pirenena izany satria ny ady betsaka any amin’ny fitsarana dia adin’ny mpianakavy. Ady lova sy adim-piandraisan’ny olona samy olona no tena fototry ny olana fa ny zavatra iadiana no tany. Aminay izany droit civil fa tsy droit foncier. Manana vahaolana izahay, aleo foanana mihitsy ny fitsarana momba fananantany raha droit civil no manahirana fa tsy droit foncier”, hoy izy.  Nambaran’ireo firaisamonim-pirenena fa ny lalànan’ny fananantany dia mifantoka amin’ny fampifandraisana ny olona amin’ny tany.

Fototry ny olana

Ankoatra izany dia nohamafisin’izy ireo fa olana mahatonga ny kolikoly momba ny fananantany ny fisian’ny olona marobe tsy mbola manana kopia nahaterahana, ny fanaovana taratasy hosoka sy hosoka amin’ity resaka fananantany ity. “Ela loatra ny fanantaterahana ny dingana arahina amin’ny fikarakarana taratasy  eny amin’ny sampandraraharan’ny fananantany ka mamporisika ankolaka sy/na mivantana amin’ny fanaovana kolikoly amin’ny andaniny roa (mpanjia sy ny mpiasam-panjakana)”. Vahaolana ho entin’izy mandritra ny fivoriana eny amin’ny CCI momba ity kolikoly amin’ny fananantany ity ny fametrahana tetikady sy fampiharana momba ny “état civil”, ny fametrahana tetikady mazava sy fampiharana amin’ny ady amin’ny fanaovana hosoka toy fampiasana ny nomerika ary ny fanafainganana ny dingana arahina eny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany . Tsy ilaina ihany koa hoy izy ireo ny fananganana fitsarana manokana momba ny fananantany satria ny olana dia tsy ny fampifandraisana ny olona amin’ny tany fa ny fampihavanana ny samy Malagasy izay mpianakavy. “Tokony apetraka mangaharahara ny lalàna momba ny ady tany satria betsaka no tsy nianatra ka lasa voasambosambotra fotsiny ireo tsy mahalala lalàna.  Tokony hohamoraina ny fahazoana antontam-baovao mba ahafahan’ny firaisamonim-pirenena manaramaso ny fampiharana ny lalàna nohavaozina. Ho hita eo na tena masina tokoa ve ny tanindrazana? ”, hoy i Solodrazana Henri Tovoniaina. Toromarika avy amin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry ho fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fiarovana ny fananantany no antony nirosoana tamin’ity fikaonandoha ity. Mampatsiahy ny hevitrin’ny Filozofy Emmanuel Kanto ireo firaisamonim-pirenena fa “ny fandinihina dia tsy misy dikany raha tsy misy fampiharana ary ny fampiharana dia jamba raha tsy mifototra amin’ny fandinihana”.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *