Socio-eco

FIPARITAHAN’NY LAZA ADINA BAKALOREA: Olona 43 no voasambotra


“Aoka ho samy ho tony”. Efa misy ny fandaminana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena mandritra ny fanomanana ny fanadinana bakaloera “session » faharoa. Na eo amin’ny fiarovana ny toerana natokana handrafetana ny laza adina na ny fitaterana izany manerana ny foibem-panadinana dia hohamafisina ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. “Mampitandrina sahady ireo te hinia hanakorontana  mandritra ny fiomanana sy  ny fizotrany fanadinana” sy manentana ny rehetra ho tony ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Nampahafantariny nandritra tafa ho an’ny mpanao gazety androany 10 oktobra 2019 fa mitohy ny fanadihadiana  momba ireo tomponandraikitra tamin’ny fanaparitahana ny laza adina. Raha tatitra nataony dia toerana efatra no nahitana io fiparitahana io: Antananarivo, Imeritsiatosika, Fianarantsoa, Ihosy. 43 kosa ny olona efa voasamboatra  izay ahitana mpampianatra sy mpianatra. Araka ny fanazavany  dia enina amin’izy ireo notanana am-ponja vonjimaika, ny 20 nomena fahalalahana ary ny sivy tsy mahazo miala lavitra ny tanana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *