Socio-eco

Fiombonamben’ny mpiasan’ny M2PATE : Atsangano ny Governemanta «technocrate»


Eo anoloana izao krizy andalovan’ny firenena izao, manohana ny fametrahana ny governemanta «technocrate» ny mpiasa mivondrona ao amin’ny « fiombonamben’ny mpiasan’ny M2PATE », hoy Cyrille Randriamampandry. Fananganana izany governemanta izany no fomba hamahana izao olana ara-politika andalovan’ny firenena izao. Mangataka ihany koa izy ireo hametrahana ministera manokana misahana ny tany. Teknisiana ao anatin’izany sehatra izany no hitantana ny ministera. Tanjona ny hamahana ny olana rehetra sy hisorohana ny gaboraraka sady ho fanatsarana ny fitantanana ny tany eto Madagasikara.
Momban’ny «faritra toe-karena manokana» na ZES, tsy mbola mety amintsika firenena Malagasy ny lalana ZES. Vao tsy ela akory izay no lany teny amin’ny antenimierampirenena ny lalàna momba izany. «Tena fivarotana tanindrazana tsotra izao iny lalàna iny. Natao hitsinjovana manokana ny tombontsoan’ny mpampiasa vola vahiny ihany koa». Raha lany sy manan-kery io lalàna io, isika vahoaka Malagasy no ho very tombontsoa ary tsy mitombona intsony ny teny filamatra hoe « Fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny», hoy hatrany ireto « fiombonamben’ny mpiasan’ny M2PATE ».
Marihana fa ahitana ny mpiasan’ny fananan-tany, ny fandrefesan-tany ary ny fanajariana ny tany ity « fiombonamben’ny mpiasan’ny M2PATE » ity. Mpikambana feno ao amin’ny « Solidarité Syndicale de Madagascar » na SSM ihany koa izy ireo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *