Socio-eco

FINDAY TSY ARA-DALÀNA NY IMEI: Tsy hahazo “réseau” intsony


Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny fadin-tseranana sy ny ARTEC (Autorité de régulation des technologie de communication), voarara ny manafatra finday tsy misy famantarana voamarina (IMEI non-valide). Nanomboka ny 1 janoary 2018 io fanapahan-kevitra io. Voarara ihany koa ny mampiasa ireo finday tsy ara-dalàna ny IMEI amin’ireo tambazotran-tserasera misy eto amintsika manomboka ny 30 jona 2019. Ho fisorohana ny finday hosoka sy fiarovana ny mpanjifa no anton’izao fanapahan-kevitra izao. Mba hanakanana ny fitobaky ny finday “IMEI non-valide” eto amintsika, ireo mpandraharaha momba ny fifandraisan-davitra manana fahazoan-dalana avy amin’ny ARTEC ihany no afaka manafatra finday. Ireo mpivarotra nahazo fankatoavana avy amin’ny ARTEC ihany koa no ahitana ireo finday manana IMEI ara-dalàna.

Nanao fisavàna ny IMEI ny ARTEC nanomboka ny 1 janoary 2018. Finday telo tapitrisa no natao fanambarana teny ARTEC. Ny 1% tamin’ireo tsy azo nampidirina fa tsy ara-dalàna ny IMEI. Nambaran’ny tale misahana ny fitsirihana ara-teknika, Laurent Rakotomalala fa mpikambana ao amin’ny GSMA (global system for mobile communications) ny ARTEC. Mandefa ny antontan-kevitra mirakitra ny IMEI rehetra ao amin’ny ARTEC ny GSMA. Araka ny fantatra, fikambanan’ny mpandraharaha mpamorona finday izy ny GSMA. Araka ny fanazavany hatrany, samy manana ny laharana IMEI ny finday tsirairay. Io laharana io no ahafantaran’ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra ny finday miantso ka hanomezany azy alalana hifandray amin’ny tambazotrany. Ahafahan’ny mpandraharaha mampiato ny fampiasana ny finday izay tsy hitan’ny tompony vokatry ny halatra na fahaverezana ihany io ny laharana IMEI io.

Rehefa manindry *#06# ao amin’ny finday dia mivoaka ny tarehimarika miisa 14 na 15. Mety misy finday mamoaka io IMEI io saingy mety tsy ara-dalàna. Mba hanamarinana fa “IMEI valide” dia tsidihio ny tranokalan’ny GSMA. Misy toro-lalana ao mba hampidirana ilay IMEI nipoitra tao anaty finday. Ny GSMA no manamarina na valide na non-valide ny IMEI. Azo atao ihany koa ny mampiasa ny “application” IMEI analyzer mba hanamarinana ny IMEI. Nomarihin’ny tomponandraikitry ny ARTEC, Haja Rakotoarimalala fa raha “double puce” ny finday dia tokony IMEI roa samy hafa no mipoitra.

Lynda A.

 


One comment on “FINDAY TSY ARA-DALÀNA NY IMEI: Tsy hahazo “réseau” intsony

  1. Pingback: FINDAY TSY ARA-DALÀNA NY IMEI: Tsy hahazo “réseau” intsony - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *