Socio-eco

FIMPIMA: Hetsika roa no hamaranana ny fankalazana ny faha-55 taona


Hizara roa ny famaranana ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny FIMPIMA na fikambanan’ny mpikabary Malagasy. Ny tapak’andro marainan’ny 28 jona 2019 dia hisy ny velan-kevitra ataon’ireo mpikabary avy ao amin’ny fikambanana. Hanao fampisehoana kabary ihany koa ireo nahazo ny laharana voalohany isam-paritany, tamin’ny fifaninanana kabary, mitondra lohahevitra hoe: tokantrano mahatanteraka ny zon’olombelona, loharanom-pahasambarana. Eny amin’ny akademia Malagasy Tsimbazaza no hanaovana izany.

Hamaranana tanteraka ny fankalazana kosa ny « alin’ny mpikabary ». Ny alin’ny 28 jona 2019 no hanatanterahana izany. Seho kanto, filatroana, totorebika, hanimpitoloha fisarihana ireo loka maro, toy billet d’aviob Tana-Paris-Tana, Tana Dubaï-Tana avy amin’ireo mpiara-miasa amin’ny FIMPIMA no hitranga amin’io fotoana io, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Andriamboavonjy Hanitra.

Nohamafisin’ny filoha mpanampy, Jean Jacques fa mandala ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny kabary ny FIMPIMA. 170 izao ny toeram-pampianarana kabary manerana an’i Madagasikara. Tsy eto an-toerana ihany no misy fikambanana fa efa mivelatra any ampitan-dranomasina. Raha ny fantatra dia firenena valo ankoatran’i Madagasikara no efa misy mpikambana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *