Socio-eco

FILOHAN’NY HOLAFITRY NY MPANAO GAZETY : « Akoho ve no vonoina dia hitondràna famaky? »


Nivoaka ny 19 Septambra 2019 ny didim-pitsarana ireo mpanao gazety notorian’ny CEMGAM momba ny famoahana lahatsoratra momba ny angidimby tetsy Mahamasina. Voasazy handoa vola 10.000.000 Ariary avy, no sazy azon-dRaonimanalina Nadia, talen’ny famoahana ao amin’ny gazety Le Quotidien sady mpanao gazetin’ny MBS   sy ny mpanao gazetin’ny 24 h Mada, Rabearivony Mahery, raha afaka noho ny fisalasalana kosa  Rahelisoa Arphine, ao amin’ny seraseran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA ) sy Ramihone Patrick, talen’ny kolontsaina ao amin’ny fiadidian’ny CUA.

« Mampieritreritra ny tranga iray ity satria hikatona tsikelikely ny orinasan-tserasera ary ho very asa ireo mpanao gazety raha izao no mitohy. Samy efa nanao hadisoana avokoa ny rehetra raha amin’ity sehatry ny asa fanaovan-gazety ity no jerena. Akoho ve no vonoina dia hitondrana famaky? », hoy Rakotonirina Gerard, filohan’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM ). Ny mety ho vokatr’izany dia tsy hahazo ny vaovao tokony ho azony ny vahoaka malagasy. Na eo aza izany fanahiana izany dia tokony hitandrina amin’ny vaovao avoakany ny mpanao gazety.

Efa nandritra ny fotoana maharitra no nijerena ny hoe fanalàna ny fanagadrana ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany, ao anatin’ny lalàna mifehy ny serasera sy ny fifandraisana, hoy hatrany ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety. Ady sarotra ny fampiharana ny lalàna sy ny fanatanterahana izany…kanefa tokony hojerena hatrany ny mahasaro-pady ny fampitam-baovao eto amintsika. Ny zava-dehibe indrindra dia hoe: vaovao marina sy voamarina ary voalanjalanja no omena ny olom-pirenena rehetra satria zony izany.

Marihana fa nampiakatra fitsarana ambony izy mianadahy ireo araka ny fanambaran’ny mpisolo vava azy ireo.

Nirina R.


One comment on “FILOHAN’NY HOLAFITRY NY MPANAO GAZETY : « Akoho ve no vonoina dia hitondràna famaky? »

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *