Socio-eco

FILOHAN’NY FILAN-KEVITRA MONISIPALY-BEN’NY TANANA TOAMASINA I: Niafara hatramin’ny fifampitoriana.


“Nitady ny fomba rehetra hanagadrana ahy ny Ben’ny Tanana Elisée RATSIRAKA ary mbola mitohy izany hatramin’izao”, hoy ny Filohan’ny filan-kevitra monisipaly ao amin’ny kaominina  Toamasina, Solofo Ginah. Ankoatra ny fitoriana natao azy dia tsy manana birao ao amin’ny kaominina ny tenany amin’izao fotoana izao satria nalaina tany aminy ny lakile. “Tsy nionona tamin’ny fanirahana “gros bras” nanao amboletra niditra tao amin’ny tranoko ihany koa ity ben’ny tanana ity fa mbola notohizany hatrany fitoriana ahy ary tonga hatreny amin’ny fitsarana mihitsy izany”. Mbola fitohizan’ny resaka fampiatoana ny Ben’ny tanana amin’ny asany ihany no antony izany rehetra izany.
Nambarany ny Filohan’ny filan-kevitra anefa fa tsy kakay velively na politika no antony nandanian’ny filan-kevitra monisipaly ao amin’ny kaominina Toamasina II ny fampiatoana azy fa tsy fanaovany tatitra fanao isan-taona momban’ny fitantanana izay voafaritry ny lalana mifehy ny tanana, lalana 2014-020, andininy faha-80 fa tsy maintsy manao tatitra isaky ny fivoriana ara-potoana. Anisany niteraka tsy fifankahazoan’ny Ben’ny Tanana tamin’ny Filohan’ny filankevitra monisipaly ihany koa ny fitakiana ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa. Nitarika fifanoherana teo amin’ny roa ihany koa ny fahitan’ny ankilany ny tsi fietezan’ny fitantanana ny kaominina satria “misy ny fivarotana tany kaominaly izay tsy nalaina akory ny hevitry ny mpanolotsaina fa natao antsokosoko”.
Rehefa sahy mijoro sy sahy mitaky ny rariny ve dia tadiavina avokoa ny fomba rehetra hisomparana azy sao manimba ny tombontsoa an’ny tena? Araka ny fanazavan’ny Solofo Ginah dia tsy mitombona avokoa ny fitoriana napetraky Elisée RATSIRAKA ka tsy mety mahazo rariny mihitsy izy. Resaka VVF indray no hitoriany an’ity filohan’ny filan-kevitra ity. Mahita ity farany tsy mamaly dia notohizany hatrany. Diso hevitra anefa izy fa nitory azy ihany ny farany ny ankilany satria efa tafahoatra loatra ny ataony.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *