Socio-eco

FILANKEVI-PIRENEN’NY SECES : « Mampisy ny fitokonana faobe ny tsy fandraikitra ny minisitera mpiahy »


Mitohy ny tolona ataon’ny  sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra (SECES).  Miandry ny valiny mahafa-po sy azo tsapain-tanana hatramin’ny 15 Janoary 2020  ny SECES mialoha ny « congrès National ».  Mialoha izany anefa dia tokony hisy ny fampihaonana ny Ministera mpiahy, ny Ministeran’ny toe-karena sy ny vola ary ny SECES araka ny nampanantenain’ny Praiministra. Tao aorian’ny  filankevi-pirenena nataon’ny sampana SECES  manerana ireo  oniversite enina eto Madagasikara  tamin’ny 17 Desambra 2019 teny amin’ny Notre Dame du Cenacle Ambohipo no namoahan’izy ireo fehin-kevitra amin’ny hanohizana ny tolona momba ireo fitakian’izy ireo. Miato tanteraka ny asa fampianarana sy fikarohana manerana ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly rehetra. « Anton’ny fitokonana faobe ankehitriny izao ny tsy fandraisan’ny ministera mpiahy sy ny  mpitondra ambony sasantsasany ny andraikiny », hoy ny filohan’ny sampana SECES Mahajanga, Rakotovelo Geoslin. Noho izany dia mitaky ny amahana izao olana izao mba hiverenan’ny fampianarana ambony sy ny asa fikarohana manerana ny nosy izy ireo satria  ny zana-bahoaka no lasa sorona noho ny tsy fandraisana andraikitra. Miisa 11 ireo fehin-kevitra nivoaka nandritra ny filankevi-pirenen’ny SECES izao , toy ny fitakiana ny olona tendrena eo amin’ny toeran’ny mpitantana ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mba olona afaka mamaha olana, tena mijoro ho tomponandraikitra tokoa ary mahay mihaino ny hafa sady olon’ny fifanakalozan-kevitra.  Eo ny tsy fanekena ny famerana ho 1500 ora isan-taona ny ora fanampiny azon’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra, tsy azo ekena ny hevitra mitarika amin’ny fanitsakitsahana ny zon’izy ireo (zo sendikaly voafaritry ny lalàna manan-kery, indrindra ny fanaovana antsojay sy ramatahora amin’ny endriny rehetra ataon’ny mpanatanteraka). Manameloka ihany koa ireo nahavanon-doza rehetra tamin’ny fanimbana ny fananana iombona tahaka ny tany amin’ny oniversite Fianarantsoa ka mitaky ny sazy faran’izay henjana ho an’izy ireo na mivantana na ankolaka. Tsy maintsy hajaina ny rijan-teny fototra mifehy ny « offre de formation » tsirairay araka ny didim-pitondrana laharana faha-04.152.2010-MESupReS tamin’ny  24 Martsa 2010 izay mamaritra ny fampiharana ny rafitra LMD sy ny dingana tsy maintsy lalovana voafaritr’izany ho fanomezana mari-pahaizana « Licence, Master, Doctorat ». Takian’izy ireo ny fandraisana andraikitra hentitra sy haingana avy amin’ny mpitondra fanjakana manoloana ireo fibodoan’olon-tsotra ankeriny ny tanin’ny oniversite…

Marihana fa niresaka momba ny raharaham-pirenena ihany koa ny filankevi-pirenen’ny SECES. Tsapan’izy ireo fa tsy voahaja no sady voahitsakitsaka ny zon’ireo mpiasa malagasy maro, ireo mpisehatra amin’ny asam-panjakana na ny tsy miankina amin’ny fanjakana. Miseho lany eto amin’ny firenena malagasy ny gaboraraka, ny tsy maty manota, ny tany tsy tan-dalàna, ny tsy fandriam-pahalemana, ny tsindry avy amin’ny mpitondra ambony mpanatanteraka izay mianjady amin’ny andrim-panjakana…

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *