Socio-eco

FIKIRAKIRANA VOLA: Mamaly ny filàn’ny mpanjifa ny fiarahamiasa eo amin’ny Orange Money sy Société Générale Madagasikara


Azo antoka, tsy mila mivezivezy ary amin’ny fotoana rehetra. Ireo no tanjon’ny fiarahamiasa eo amin’ny Orange Money sy ny Société Générale Madagasikara. Afaka mandrotsaka na maka vola  ao amin’ny kaontiny ny mpanjifan’ny Société Générale Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiasana ny kaonty Orange Money na mifanohitra amin’izay. Nanomboka ny fiandohan’ny volana febroary 2022 no nisy ity tolotra ity ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 18 febroary 2022 teny Ankorondrano. Ho famaliana ny filàn’ny mpanjifa no antom-pisian’ny tolotra “Bank to Wallet”. Manamora ny fikirakirana vola ny fisiany satria na aiza na aiza dia afaka maka na mandrotsaka vola ireo mpanjifan’ny banky. Tsy voatery mankeny amin’ny banky izy ireo fa afaka manao izany eny amin’ireo” cash point” Orange manerana an’i Madagasikara. Efa mahatratra 15. 000 ny isan’ny toeram-pakàna vola Orange Money, araka ny fanazavan’ny tomponandrikitry ny orinasa. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Société Générale Madagasikara fa manakaiky kokoa ary mifanaraka amin’ny filàn’ny mpanjifa ny fampiasana ity tolotra ity. Afaka mandefa vola ao amin’ny kaonty Orange Money ireo mpanjifan’ny banky ahafahana mividy fahana, mandoa faktiora… Mety amin’ny olon-tsotra, orinasa vaventy, fikambanana , rafitra maro samihafa ihany koa ity tolotra vaovao ity. Fomba tsotra dia afaka misitraka ity servisy ity: in-dray mandeha mankeny amin’ny banky ny mpanjifa mampifandray ny kaontiny amin’ny kaonty Orange Money. Rehefa vita izay dia afaka mikirakira ny volany ao anatin’ny findainy izy. Tsiahivina fa ny Orange Money irery ihany no orinasa eto Madagasikara manana tolotra momba fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday miara-miasa amin’ny banky efatra sy orinasa fampindramam-bola madinika enina eto Madagasikara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *