Socio-eco

FIKAMBANANA TSIORINTSOA: Manao ny asa tsy vitan’ny fanjakana


“Matoa betsaka ny fikambanana mpanao asa soa dia misy lesoka avy any amin’ny fitondram-panjakana”, hoy ny fikambanana Tsiorintsoa Atsimondrano. Manao ny asa tsy vitan’ny fanjakana ity fikambanana mpanao asa soa ity. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Nofy Lalaina Haingoarijaona fa efa be ny asa vita raha tsy hilaza afa-tsy ny fampidirana an-tsekoly ireo zaza nitsaoka an-daharana. Ao anaty ny vinan’ny fikambanana rahateo ny fampiroboroboana ny fanabeazana raha ho an’ny distrikan’Atsimondrano manokana. Tsy adino ihany koa ny fanampiana ny tantsaha. Nilaza ny filoha lefitry ny fikambanana, Michel Joseph fa ny asa sosialy irery ihany no hampandroso an’i Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy. Loha-laharana amin’izany ny fahasalamam-bahoaka. Manarak’izay ny fanomezana asa ho fidiram-bola. Efa nanome asa ho ana fianakaviana maromaro ny fikambanana Tsiorintsoa Atsimondrano toy ny fanaovana asa tana-maro. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, mbola ny ezaky ny mpikambana no hanaovana ny asa soa. 8000 ny isan’ny mpikambana amin’izao fotoana izao.

Manohana kandida

“Mila tamberina ny vahoaka ary mila olona afaka hihetsika hitondra fampandrosoana”, araka ny fanambaran’ny fikambanana. Rehefa namaky ny vinan’ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana ny fikambanana dia resy lahatra fa hanohana azy tsy misy fepetra amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 19 desambra 2018. Ao anaty ny vinan’ny kandidà ny sosialim-bahoaka ka izany no nahatonga ny fikambanana tapa-kevitra. Mifanojo amin’ny vinan’ny fikambanana izany dia fanantanterahana ny zavatra tadiavin’ny vahoaka. “Izay zavatra tenenin’ny vavanay dia tsy maintsy tanterahinay”, hoy ny filohan’ny fikambanana Nofy Lalaina Haingoarijaona. Mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ity fifidianana fihodinana faharoa ity dia hampahafantatra ny olona ny kandida laharana faha-25 sady hanao asa sosialy ny fikambanana Tsiorintsoa Atsimondrano.

Lynda A.


One comment on “FIKAMBANANA TSIORINTSOA: Manao ny asa tsy vitan’ny fanjakana

  1. Pingback: FIKAMBANANA TSIORINTSOA: Manao ny asa tsy vitan’ny fanjakana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *